Ohabolana 17:1-28

  • Aza mamaly ratsy ny soa atao aminao (13)

  • Mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana (14)

  • Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana (17)

  • “Fanafody tena mandaitra ny fo falifaly” (22)

  • Mahafehy ny vavany ny olona mahay mandinika (27)

17  Aleo sombi-mofo maina hohanina ao amin’izay misy fihavanana,*+Toy izay trano misy fety* be nefa misy fifamaliana.+  2  Ny mpanompo lalin-tsaina no hifehy ny zanaka manala baraka.Hahazo anjara lova koa izy, hoatran’ny zanaky ny tompony ihany.  3  Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana,+Fa i Jehovah kosa no mpandinika ny fo.+  4  Mihaino fosafosa ny ratsy fanahy,Ary mihaino fanaratsiana ny mpamitaka.+  5  Izay manesoeso ny mahantra dia manao tsinontsinona ny Mpanao azy,+Ary izay faly amin’ny fahavoazan’ny hafa dia tsy maintsy ho voasazy.+  6  Satroboninahitry ny be taona ny zafikeliny,Ary voninahitry ny zanakalahy* ny rainy.*  7  Tsy mendrika ny hilaza ny marina* ny tsisy saina,+ Ary vao mainka tsy mendrika ny handainga ny mpitondra.*+  8  Amin’ny tompony, dia toy ny vatosoa* ny fanomezana,+Ka na aiza na aiza alehany, dia lasa mety daholo izay ataony.+  9  Izay mamela* fahadisoana dia mitady fitiavana,+Fa izay mbola miresadresaka an’ilay fahadisoana kosa mampisaraka ny mpinamana be.+ 10  Ny teny henjana atao indray mandeha amin’ny mahira-tsaina dia mandaitra kokoa+Noho ny kapoka injato amin’ny tsisy saina.+ 11  Tsy mitady afa-tsy ny hikomy ny olon-dratsy,Nefa hisy olona tsy misy antra hirahina hanasazy azy.+ 12  Aleo mifanena amin’ny orsa very zanaka,Toy izay mifanena amin’ny olona tsisy saina mampiseho ny hadalany.+ 13  Izay mamaly ratsy ny soa natao taminy,Dia tsy hialan’ny ratsy koa ny ao an-tranony.+ 14  Hoatran’ny mamaky fefiloha* izay mila ady,Koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.+ 15  Samy maharikoriko an’i Jehovah,Na izay manafaka madiodio ny ratsy fanahy, na izay manameloka ny olo-marina.+ 16  Inona moa ny soa azon’ny tsisy saina raha afaka mahazo fahendrena izy,Nefa izy aza tsy te* hahazo an’izany akory?*+ 17  Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana,+Sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.+ 18  Mifandray tanana amin’ny olona ny tsy ampy saina,*Ka manaiky eo imason’ny namany hoe hiantoka olona mindram-bola.+ 19  Tia manao fahadisoana izay tia ady,+ Ary mitady loza izay manangana vavahady avo.+ 20  Tsy hahomby* izay manana fo fetsifetsy,+Ary hahita loza izay mamitapitaka. 21  Halahelo ny ray miteraka zaza tsisy saina,Ary tsy ho faly mihitsy ny rain’ny zaza tsy ampy saina.+ 22  Fanafody tena mandaitra* ny fo falifaly,+Fa mandany hery* kosa ny hakiviana.+ 23  Mandray kolikoly mangingina* ny ratsy fanahyMba hamadihana ny rariny.+ 24  Mifantoka amin’ny fahendrena foana ny mason’ny mahira-tsaina,Fa ny mason’ny tsisy saina kosa mandehandeha hatrany amin’ny faran’ny tany.+ 25  Manao izay hampalahelo ny rainy ny zanaka tsisy saina,Sady mankarary ny fon’ny* reny niteraka azy.+ 26  Tsy tsara ny manasazy* olo-marina,Ary tsy mety ny mamely olona manan-kaja amin’ny karavasy. 27  Mahafehy ny vavany ny olona manam-pahalalana,+Ary ho tony foana ny olona mahay mandinika.+ 28  Na ny adala aza rehefa mangina, dia hoheverina hoe hendry,Ary hoheverina hoe mahay mandinika izay manakombona ny vavany.

Fanamarihana

Abt: “sorona.”
Na: “fiadanana; fahanginana.”
Na: “zanaka.”
Na: “ray aman-dreniny.”
Na: “olona ambony.”
Na: “hilaza zavatra tsara.”
Na: “vato ahazoana fankasitrahana.”
Abt: “manarona.”
Na: “tohodrano.” Abt: “mamela rano hivoaka.”
Abt: “tsy manana fo.”
Na: “Nefa izy aza tsy misaina akory?”
Abt: “tsy misy fo.”
Na: “Tsy hahita soa.”
Na: “manasitrana.”
Na: “mahamaina taolana.”
Abt: “avy eo an-tratra.”
Abt: “mangidy amin’ny.”
Na: “mampandoa sazy.”