Ohabolana 19:1-29

  • Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina (11)

  • Hoatran’ny tafo mitete ny vehivavy tia ady (13)

  • Fanomezana avy amin’i Jehovah ny vady malina (14)

  • Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana (18)

  • Ho hendry izay mihaino torohevitra (20)

19  Aleo mahantra nefa tsy mivadika,+Toy izay tsisy saina sady mpandaingalainga.+  2  Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny olona,+Ary manota izay maimaika loatra.*  3  Ny hadalan’ny olona ihany no manimba ny fiainany,Ka amin’i Jehovah no tezitra ny fony.  4  Ny harena no mahatonga ny olona ho be namana,Fa ny mahantra kosa, na ny namany aza handao azy.+  5  Tsy maintsy ho voasazy ny vavolombelona mandainga,+Ary tsy ho afa-maina ny olona efa tranon-dainga.+  6  Maro no mila sitraka amin’ny olona ambony,*Ary naman’izay tia manao fanomezana ny olona rehetra.  7  Na ny rahalahin’ny mahantra aza mankahala azy daholo,+Koa mainka moa fa ny namany!+ Mba mitalaho sy mangataka amin’ireny izy, saingy tsy misy mihaino azy.  8  Tia ny tenany izay miezaka hisaina tsara,*+ Ary hahomby* izay mihevitra hoe sarobidy ny* fahaiza-mandinika.+  9  Tsy maintsy ho voasazy ny vavolombelona mandainga,Ary ho ringana ny olona efa tranon-dainga.+ 10  Tsy mendrika ny hanana fiainana mirenty ny tsisy saina,Ary vao mainka tsy mendrika ny hibaiko andriana ny mpanompo!+ 11  Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina,+Ary voninahitra ho azy ny mamela* fahadisoana.*+ 12  Hoatran’ny liona* mierona ny mpanjaka rehefa tezitra be,+Fa toy ny ando eo amin’ny ahitra kosa ny fankasitrahany. 13  Mitondra fahoriana ho an’ny rainy ny zanaka tsisy saina,+Ary toy ny tafo mitete tsy an-kijanona ny vehivavy tia ady.*+ 14  Trano sy harena no lova avy amin’ny ray,Fa vady malina kosa no fanomezana avy amin’i Jehovah.+ 15  Mahatonga torimaso lalina ny hakamoana,Ary ho noana ny olona malaina.+ 16  Izay mankatò ny didy dia miaro ny ainy,+Fa ho faty kosa ny olona tsy mba miraharaha izay ataony.+ 17  Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+Ka Izy no hamaly ny soa nataony.+ 18  Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana,+Ary tandremo sao ho lasa tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany ianao.*+ 19  Handoa sazy izay mora tezitra.Raha arovanao izy, dia ho voatery hiaro azy foana ianao.+ 20  Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra,*+Mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.+ 21  Maro ny zavatra kasain’ny olona hatao,Fa ny fikasan’i* Jehovah ihany no ho tanteraka.+ 22  Tian’ny olona izay be fitiavana sy tsy mivadika,+Ary aleo lasa mahantra toy izay lasa mpandainga. 23  Mitarika mankany amin’ny fiainana ny fahatahorana an’i Jehovah.+Hatory tsara izay matahotra Azy, fa tsy ho tratran’ny loza.+ 24  Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mahakamo azy.+ 25  Kapohy ny mpanesoeso+ mba ho malina izay mbola tsy dia nahita fiainana.*+Ary anaro ny mahira-tsaina mba hitombo ny fahalalany.+ 26  Izay mampijaly ny rainy sy mandroaka ny reniny,Dia zanaka mahamenatra sy manala baraka.+ 27  Raha tsy mihaino anatra intsony ianao, anaka,Dia hiala amin’ny lalan’ny fahalalana. 28  Manao tsinontsinona ny rariny ny vavolombelona tsy misy ilana azy.+Ary amin’ny ratsy fanahy, dia mahafinaritra hoatran’ny misakafo ny manao ratsy.+ 29  Didim-pitsarana no miandry ny mpanesoeso,+Ary hokapohina ny lamosin’ny tsisy saina.+

Fanamarihana

Abt: “mihazakazaka amin’ny tongony.”
Na: “olona tia manome.”
Na: “izay mitahiry.”
Abt: “hahita soa.”
Abt: “hanana fo.”
Na: “raha lalovany fotsiny ny.”
Na: “heloka.”
Na: “liona tanora.”
Na: “vady mimenomenona lava.”
Na: “Ary aza maniry ny hahafatesany.”
Na: “fifehezana; famaizana.”
Na: “hevitr’i.”
Na: “izay tanora fanahy.”