Ohabolana 2:1-22

  • Sarobidy ny fahendrena (1-22)

    • Mikaroka fahendrena hoatran’ny mikaroka harena miafina (4)

    • Miaro anao ny fahaiza-misaina (11)

    • Hahita loza izay ratsy fitondran-tena (16-19)

2  Raha ekenao ny teniko, anaka,Ary tehirizinao ao am-ponao ny didiko,+  2  Ka manongilan-tsofina hihaino ny fahendrena ianao,+Ary manokatra ny fonao mba hahatonga anao hahay handinika,+  3  Raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina koa ianao,+Ary manandratra ny feonao mba hahatonga anao hahay handinika,+  4  Raha mitady an’izany foana hoatran’ny mitady volafotsy ianao,+Ary mikaroka an’izany foana hoatran’ny mikaroka harena miafina,+  5  Dia ho azonao ny atao hoe fahatahorana an’i Jehovah,+Ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.+  6  Fa i Jehovah mihitsy no manome fahendrena,+Ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-mandinika.  7  Mitahiry fahendrena ho an’ny olo-marina izy,Ary ampingan’izay tsy mivadika aminy.+  8  Mitsinjo ny lalan’izay tia rariny izy,Sady hiaro ny lalan’izay tsy mivadika aminy.+  9  Amin’izay dia ho azonao ny atao hoe marina sy rariny ary hitsiny,Ka ho fantatrao daholo ny atao hoe tsara.+ 10  Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena,+Ary lasa mahafinaritra anao ny fahalalana,+ 11  Dia hiambina anao ny fahaiza-misaina,+Ary hiaro anao ny fahaiza-mandinika, 12  Amin’izay ianao ho voaro tsy hanao ratsy,Sady tsy ho voatariky ny olona miresaka zava-dratsy.+ 13  Amin’izay koa ianao ho voaro amin’ny olona miala amin’ny lala-mahitsy,Dia amin’ny olona te handeha amin’ny lalan’ny haizina,+ 14  Sady ho voaro amin’izay faly manao ratsy,Izay ravoravo manao zavatra tena ratsy, 15  Dia izay manaraka lalana miolakolaka,Sy efa zatra mametsifetsy. 16  Ny fahendrena koa no hanafaka anao tsy ho azon’ny vehivavy maditra,*Sy tsy ho voafitaky ny teny malefaka* lazain’ny vehivavy ratsy fitondran-tena,*+ 17  Izay nandao ny vadin’ny* fahatanorany,+Ary manadino an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’ny Andriamaniny. 18  Fa milentika ho any amin’ny fahafatesana ny tranony,Ary ny lalany mankany amin’ny maty tsy mahavita na inona na inona.+ 19  Tsy hisy hiverina intsony izay manao firaisana* aminy,Sady tsy handeha amin’ny lalan’ny fiainana intsony.+ 20  Koa araho ny lalan’ny olona tsara toetra,Ary aza miala amin’ny lalan’ny olo-marina.+ 21  Fa ny olo-marina ihany no honina eto an-tany,Ary ny tsy misy tsiny* no hipetraka eto foana.+ 22  Fa ny ratsy fanahy kosa horinganina tsy hisy eto an-tany,+Ary ny mpivadika hesorina tanteraka eto.+

Fanamarihana

Abt: “vahiny.” Azo inoana hoe lavitra an’Andriamanitra satria ratsy fitondran-tena.
Na: “manangoly.”
Abt: “vahiny.” Azo inoana hoe lavitra an’Andriamanitra satria ratsy fitondran-tena.
Midika ara-bakiteny hoe “namana akaiky” ilay hoe ‘vady’ eto.
Abt: “mankany.”
Na: “tsy mivadika.”