Ohabolana 20:1-30

20  Mpaniratsira ny divay+ ary mpitabataba ny toaka,+ ka tsy hendry izay rehetra manaonao foana noho ny herin’izany.+  Atahorana, sahala amin’ny fahatahorana fieron’ny liona tanora, ny mpanjaka.+ Izay mampahatezitra azy dia manota amin’ny tenany, ka mihantsy loza.+  Voninahitra ho an’ny olona ny tsy mifamaly,+ fa ny adala rehetra kosa vao mainka miditra amin’ny fifamaliana.+  Tsy miasa tany ny kamo+ fa ririnina ny andro, ka hangataka izy rehefa fotoam-pijinjana, nefa tsy hahazo na inona na inona.+  Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona,+ fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.+  Maro be no milaza ny tenany ho tsara fanahy,+ fa sarotra kosa ny mahita olona azo itokisana.+  Tsy mivadika ny olo-marina,+ ary sambatra izay zanany mandimby azy.+  Mipetraka mba hitsara ny mpanjaka,+ ary kororohiny ny zava-dratsy rehetra raha vao jereny.+  Iza no afaka milaza hoe: “Efa nanadio ny foko aho,+ ka madio tsy misy fahotana”?+ 10  Samy maharikoriko an’i Jehovah+ ny vatomizana roa karazana sy ny efaha roa karazana.+ 11  Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.+ 12  Samy nataon’i Jehovah na ny sofina mandre na ny maso mahita.+ 13  Aza tia torimaso, sao ho lasa mahantra ianao.+ Sokafy ny masonao, dia ho voky hanina+ ianao. 14  “Ratsy io, ratsy io!”, hoy ny mpividy, dia lasa izy.+ Mirehareha anefa izy avy eo.+ 15  Na eo aza ny volamena sy ny haran-dranomasina* maro be, dia hafa ihany ny molotra mampita fahalalana, satria toy ny vazy sarobidy izany.+ 16  Alaivo ny akanjon’izay niantoka olona nisambo-bola, dia olona tsy fantany akory.+ Ary alaivo ny antoka nomen’ny olona niaraka tamin’ny vehivavy hafa firenena.+ 17  Tian’ny olona ny sakafo azo tamin’ny fitaka,+ nefa ho feno vatokely ny vavany avy eo.+ 18  Ho tanteraka izay kasaina raha misy mpanolo-tsaina,+ ary tari-dalana tsara no ilainao ho amin’ny ady.+ 19  Izay mandehandeha manendrikendrika olona dia mamoaka tsiambaratelo,+ ary aza mifanerasera amin’izay be resaka.+ 20  Izay manozona ny rainy sy ny reniny,+ dia ho faty ny jirony rehefa eo am-pototry ny haizina.+ 21  Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tany am-piandohana,+ dia tsy hitondra fitahiana izany any am-parany.+ 22  Aza manao hoe: “Hamaly ny ratsy nataony aho!”+ Aoka ianao hanantena an’i Jehovah,+ dia hamonjy anao izy.+ 23  Maharikoriko an’i Jehovah ny vatomizana roa karazana,+ ary tsy tsara ny mizana mandainga.+ 24  I Jehovah no mitarika ny dian’ny lehilahy tomady.+ Ary ataon’izay olombelona ahoana no hahalala ny lalan-kalehany?+ 25  Fandrika ho an’ny olona ny maimaika hilaza hoe: “Masina!”,+ ka efa vita ny voady+ vao mandinika.+ 26  Kororohin’ny mpanjaka hendry ny ratsy fanahy,+ ary kodiaram-by no anosihoseny azy.+ 27  Ny fofonain’ny+ olona no jiron’i Jehovah, izay ahafahana mijery hatrany anatin’ny fo.+ 28  Hatsaram-panahy sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka,+ ary hatsaram-panahy no mampaharitra ny seza fiandrianany.+ 29  Ravaky ny tanora ny tanjany,+ ary voninahitry ny zokiolona ny volofotsiny.+ 30  Ny ratra misy mangana no manafaka amin’ny toetra ratsy,+ ary ny kapoka kosa mihatra hatrany anatin’ny fo.+

Fanamarihana

Jereo Jb 28:18 f.a.p.