Ohabolana 22:1-29

22  Aleo laza tsara* toy izay harem-be,+ ary aleo mahazo sitraka toy izay mahazo volafotsy sy volamena.+  Mihaona ny manankarena sy ny mahantra.+ Ary i Jehovah no Mpanao azy roa tonta.+  Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina,+ fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.+  Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.+  Tsilo sy fandrika no eo amin’ny lalan’ny fetsifetsy,+ fa manalavitra izany kosa izay te hiaro ny ainy.+  Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza,+ ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.+  Ny mpanankarena no mifehy ny mahantra,+ ary izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.+  Izay mamafy tsy fahamarinana dia hijinja zava-dratsy,+ ka ho foana tsy hisy ny tsorakazon’ny fahatezerany.+  Hotahina izay manana fijery mangoraka, satria anomezany ho an’ny mahantra ny sakafony.+ 10  Roahy ny mpaneso, dia hitsahatra ny fifandirana, ary hifarana ny ady sy ny fahafaham-baraka.+ 11  Izay tia fahadiovam-po,+ sady manao teny mahafinaritra, dia ho lasa naman’ny mpanjaka.+ 12  Miaro an’izay manana fahalalana+ ny mason’i Jehovah, fa aolany kosa ny tenin’ny mpivadika.+ 13  Hoy ny kamo:+ “Misy liona ao ivelany ao!+ Ho fatiny eny amin’ny tany malalaka aho!” 14  Toy ny lavaka lalina ny tenin’ny vehivavy vahiny,+ ka izay melohin’i Jehovah no ho latsaka ao.+ 15  Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana,+ ka ny tsorakazo famaizana no hahatonga izany ho lavitra azy.+ 16  Azo antoka fa hahantra izay manambaka ny mahantra mba hitomboan’ny fananany,+ sy izay manome ho an’ny manankarena.+ 17  Aoka ianao hanongilan-tsofina sy hihaino ny tenin’ny hendry,+ mba hitandreman’ny fonao ny fahalalana avy amiko.+ 18  Fa tsara raha raketinao ao am-ponao ny teniny,+ mba ho vonona hilaza izany teny rehetra izany ny molotrao.+ 19  Nomeko fahalalana ianao androany mba hatokisanao an’i Jehovah.+ 20  Tsy efa nanoratra taminao ve aho, ka nanome anao torohevitra sy fahalalana,+ 21  mba hampahafantarana anao fa azo antoka ireo teny marina? Amin’izay ianao dia hiverina hitondra teny fahamarinana any amin’izay naniraka anao.+ 22  Aza mandroba ny mahantra satria mahantra izy,+ ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.+ 23  Fa i Jehovah no hiady ho an’ireny eo amin’ny fitsarana,+ sy hanaisotra ny ain’izay* mandroba an’ireny.+ 24  Aza minamana amin’ny olona mora tezitra,+ ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka, 25  sao ianao hanao toy izany koa ka ho fandrika ho anao izany.+ 26  Aza mety ho isan’izay mifandray tanana ho mariky ny fifanekena,+ ka miantoka olona nisambo-bola.+ 27  Fa raha tsy manan-kaloa ianao, dia halaina ny fandriananao. 28  Aza ahemotra ny fetra mamaritra ny tany, izay napetraky ny razanao taloha ela be.+ 29  Mahita olona mahay ny asany ve ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no ijoroany,+ fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olon-tsotra izy.

Fanamarihana

A.b.t.: “anarana.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.