Ohabolana 24:1-34

  • Aza mitsiriritra ny olon-dratsy (1)

  • Fahendrena no ilain’izay hanorina trano (3)

  • Mety ho lavo ny olo-marina, nefa ho tafarina ihany(16)

  • Aza mamaly faty (29)

  • Hahantra izay tia torimaso (33, 34)

24  Aza mitsiriritra ny olon-dratsy,Ary aza maniry mafy hiaraka aminy.+  2  Fa herisetra no saintsaininy ao am-pony ao,Ary ny ratsy nataony no resahin’ny molony.  3  Fahendrena no ilain’izay hanorina trano,*+Ary fahaiza-mandinika no ilaina mba hahamafy orina azy.  4  Fahalalana no mahatonga an’ireo efitranonyHo feno harena sarobidy sy mahafinaritra isan-karazany.+  5  Mahery ny lehilahy hendry,+Ary vao mainka mahery ny olona manam-pahalalana.  6  Tari-dalana tsara* no ilainao rehefa handeha hiady,+Ary handresy* izay manana mpanolo-tsaina* maro.+  7  Tsy ho takatry ny tsisy saina ny tena fahendrena,+Ary tsy hahita hotenenina izy eo am-bavahadin’ny tanàna.  8  Izay mitetika ny hanao ratsyDia hantsoina hoe mpamorona teti-dratsy raindahiny.+  9  Fahotana ny teti-dratsin’ny adala,*Ary tsy tian’ny olona ny mpanesoeso.+ 10  Raha kivy ianao rehefa ao anatin’ny sarotra,*Dia ho kely ny herinao. 11  Vonjeo izay entina hovonoina,Ary avoty izay mangozohozo efa haringana.+ 12  Raha hoy anefa ianao: “Tsy fantatray izany”, Dia tsy ho fantatr’Ilay mandinika ny fo* ve ny eritreritrao?+ Ho fantatr’Ilay mandinika tsara anao izany,Ka hovaliany araka ny nataony avy ny olona tsirairay.+ 13  Mihinàna tantely, anaka, fa tsara izany.Mamy ny tantely avy amin’ny toho-tantely. 14  Fantaro koa fa mahasoa anao* ny fahendrena.+ Raha mahazo an’izany ianao, dia ho tsara ny hoavinao,Ary tsy ho foana ny fanantenanao.+ 15  Aza miafina eny akaikin’ny tranon’ny olo-marina ka mitetika ny hanafika azy,Ary aza ravana ny toerana onenany. 16  Mety ho lavo impito ny olo-marina, nefa ho tafarina ihany,+Fa ny ratsy fanahy kosa ho tafintohina noho ny loza.+ 17  Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao,Ary aza avela ho falifaly ny fonao raha tafintohina izy,+ 18  Sao ho hitan’i Jehovah izany ka tsy ho faly Izy,Ary tsy ho tezitra amin’ilay fahavalonao intsony.+ 19  Aza tezitra* noho ny ataon’ny olon-dratsy,Ary aza mitsiriritra ny ratsy fanahy. 20  Fa tsy ho tsara ny hoavin’ny olon-dratsy,+Ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.+ 21  Matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka, anaka.+ Aza miarakaraka amin’ny mpikomy,*+ 22  Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy.+ Ka iza no mahalala an’izay loza hamelezan’izy ireo* an’ireny?+ 23  Miteny koa ny hendry hoe: Tsy tsara ny miangatra rehefa mitsara.+ 24  Izay milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: “Olo-marina ianao”,+ Dia hozonin’ny vahoaka sady homelohin’ny firenena. 25  Fa handeha tsara kosa ny fiainan’ireo mananatra ny ratsy fanahy,+Ary hotahina izy ireo ka hahazo zava-tsoa.+ 26  Hohajain’ny olona izay* mitsotra ny marina.*+ 27  Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona daholo ny eny an-tsaha.Avy eo dia aoreno ny tranonao.* 28  Aza mijoro ho vavolombelona hiampanga olona tsy amin’antony.+ Aza mamitaka olona amin’izay lazain’ny vavanao.+ 29  Aza miteny hoe: “Izay nataony tamiko ihany no hataoko aminy.Hovaliako izy* noho izay nataony.”+ 30  Nandalo teo amin’ny tanimbolin’ny kamo aho,+Teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.* 31  Hitako fa feno ahidratsy ilay izy,Sady rakotra tsilo,Ary nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.+ 32  Nodinihiko tsara izany ka nosaintsainiko,Hitako izany dia izao no lesona nianarako:* 33  Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany,Ary mbola haka aina* kely ihany, 34  Dia ho avy tampoka hoatran’ny mpangalatra ny fahantranao,Ary ho tonga tampoka hoatran’ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.+

Fanamarihana

Na: “tokantrano.”
Na: “Tari-dalana feno fahendrena.”
Na: “hahomby; ho voavonjy.”
Na: “mpanoro hevitra.”
Na: “ny tetika adaladala.”
Na: “rehefa misy olana.”
Na: “antony anaovana zavatra.”
Na: “mamy aminao.”
Na: “misafoaka.”
Na: “amin’izay te hitondra fanovana.”
Izany hoe Jehovah sy ny mpanjaka.
Abt: “Horohan’ny olona ny molotr’izay.”
Na mety hoe “Hoatran’ny hoe manoroka olona izay tsy miolakolaka rehefa mamaly.”
Na: “tokantranonao.”
Na: “Hamaly faty azy aho.”
Abt: “tsy misy fo.”
Abt: “Dia noraisiko izao anatra izao:”
Abt: “mbola hamoritra tanana ka haka aina.”