Ohabolana 25:1-28

  • Aza mamoaka tsiambaratelo (9)

  • Teny lazaina amin’ny fotoana mety (11)

  • Aza mandeha matetika any an-tranon’ny namanao (17)

  • Mampivangongo vainafo eo ambony lohan’ny fahavalo (21, 22)

  • Hoatran’ny rano mangatsiatsiaka ny tatitra tsara (25)

25  Ireto koa ny ohabolan’i Solomona,+ ary ny olon’i Hezekia+ mpanjakan’ny Joda no nanangona sy nandika azy:  2  Voninahitra ho an’Andriamanitra ny mitazona tsiambaratelo,+Ary voninahitra ho an’ny mpanjaka ny mikaroka fahalalana.  3  Samy tsy takatry ny saina na ny haavon’ny lanitra, na ny halalin’ny tany,Na ny ao am-pon’ny mpanjaka.  4  Esory amin’ny volafotsy ny tain-drendrika,Dia hadio tanteraka ilay volafotsy.+  5  Esory eo anatrehan’ny mpanjaka ny ratsy fanahy,Dia hiorina mafy amin’ny fahamarinana ny seza fiandrianany.+  6  Aza manambony tena eo anatrehan’ny mpanjaka,+Ary aza miray toerana amin’ny olona manan-kaja.+  7  Fa aleo ianao teneniny hoe: “Mipetraha eto”, Toy izay alainy baraka eo anatrehan’ny olona ambony.+  8  Aza maika hitory olona any amin’ny fitsarana,Fa raha manala baraka anao any ilay olona, dia inona no hataonao?+  9  Alamino miaraka aminy ilay olana,+Nefa aza avoaka ny tsiambaratelo noresahina taminao,*+ 10  Sao hanala baraka anao izay maheno anao,Sady ho lasa manely tsaho* ianao nefa tsy ho azonao tsoahana intsony ny teninao. 11  Ny teny lazaina amin’ny fotoana mety,+Dia toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra. 12  Amin’ny olona mihaino anatra,Dia toy ny kavina volamena sy firavaka volamena tena tsara ny olon-kendry mananatra azy.+ 13  Hoatran’ny lanezy mangatsiatsiaka amin’ny andro fijinjanaNy mpitondra hafatra mendri-pitokisana, amin’ny olona naniraka azy.Mamelombelona an’ilay tompony mantsy izy.+ 14  Toy ny rahona sy rivotra tsy mitondra oranaNy olona mirehareha hoe hanao fanomezana nefa tsy manome mihitsy.*+ 15  Faharetana no ahafahana mandresy lahatra mpitari-tafika,Ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.+ 16  Raha mahita tantely ianao, dia izay sahaza anao ihany hanina.Handoa mantsy ianao raha mihinana be loatra.+ 17  Aza mandeha matetika any an-tranon’ny namanao,Sao ho leo anao izy ka ho halany ianao. 18  Hoatran’ny kibay sy sabatra ary zana-tsipìka maranitraNy olona mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namany.+ 19  Toy ny mitsako amin’ny nify tapaka na mandeha amin’ny tongotra mangozohozoNy miantehitra amin’ny olona tsy azo itokisana* rehefa ao anatin’ny sarotra. 20  Izay mihira amin’ny olona malahelo,+Dia toy ny manala akanjo amin’ny andro mangatsiaka,Sy toy ny mandraraka vinaingitra amin’ny karibonetra.* 21  Raha noana ny fahavalonao,* dia omeo sakafo,Ary raha mangetaheta izy, dia omeo rano.+ 22  Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany* ianao raha manao an’izany,+Ka hamaly soa anao i Jehovah. 23  Mitondra orana mivatravatra ny rivotra avy any avaratra,Ary izay mifosafosa dia mampahatezitra olona.+ 24  Aleo mipetraka eny an-joron’ny tafontrano,Toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.*+ 25  Hoatran’ny rano mangatsiatsiaka mamelombelona olona reraka,Ny tatitra tsara avy any an-tany lavitra.+ 26  Toy ny loharano misy fotaka sy lavadrano voalotoNy olo-marina milefitra eo anatrehan’ny* ratsy fanahy. 27  Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra,+Ary tsy hahazo voninahitra izay mitady voninahitra ho an’ny tenany.+ 28  Toy ny tanàna voagorobaka tsy misy manda intsonyNy olona tsy mahafehy ny hatezerany.*+

Fanamarihana

Na: “ny tsiambaratelon’ny olon-kafa.”
Na: “zavatra tsy marina.”
Abt: “fanomezana lainga.”
Na mety hoe “olona mivadika.”
Na: “sirahazo.”
Abt: “ny olona mankahala anao.”
Izany hoe mampitony an’ilay olona, toy ny hoe mampitsonika ny hamafin’ny fony.
Na: “vady mimenomenona lava.”
Na: “manaiky ho resin’ny.” Abt: “mangozohozo eo anatrehan’ny.”
Na: “ny sainy.”