Ohabolana 26:1-28

  • Ny olona kamo (13-16)

  • Aza midikiditra amin’ny adin’olona (17)

  • Aza manao sangy ratsy (18, 19)

  • Maty ny afo rehefa tsy misy kitay (20, 21)

  • Ny tenin’ny mpanendrikendrika dia hoatran’ny sakafo matsiro (22)

26  Hafahafa raha misy lanezy amin’ny fahavaratra, na misy orana amin’ny fotoam-pijinjana.Hoatr’izany koa fa hafahafa raha omena voninahitra ny adala.+  2  Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina,Dia hoatr’izany koa fa misy antony matoa tonga ny ozona.*  3  Natao ho an’ny soavaly ny karavasy, ho an’ny ampondra ny lamboridy,+Ary natao ho an’ny lamosin’ny tsisy saina ny tsorakazo.+  4  Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany,Sao ianao ho lasa mitovy aminy koa.  5  Valio araka ny hadalany ny adala,Sao izy hihevi-tena ho hendry.+  6  Toy ny olona manapaka ny tongony sy mandratra ny tenany*Ny olona manankina andraikitra amin’ny tsisy saina.  7  Hoatran’ny tongotry ny malemy tongotra,Dia hoatr’izany koa ny ohabolana lazain’ny tsisy saina.+  8  Izay manome voninahitra ny tsisy saina,Dia toy ny mamatotra vato amin’ny pilotra.+  9  Hoatran’ny tsilo eny an-tanan’ny olona mamoNy ohabolana lazain’ny tsisy saina. 10  Toy ny mpandefa zana-tsipìka mandratra an’izay sendra azy*Ny olona manakarama ny tsisy saina na ny mpandalo. 11  Hoatran’ny alika miverina amin’ny loanyNy tsisy saina miverina amin’ny hadalany.+ 12  Mahita olona mihevi-tena ho hendry ve ianao?+ Ny adala aza mbola misy antenaina noho izy. 13  Hoy ny kamo: “Misy liona tanora eny an-dalana!Misy liona eny amin’ny tany malalaka!”+ 14  Mihodina eo amin’ny savily ny varavarana,Ary mihodina eo am-pandrianany koa ny kamo.+ 15  Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mandreraka be azy.+ 16  Mihevitra ny kamo hoeIzy no hendry kokoa noho ny olona fito mahay mamaly. 17  Hoatran’ny olona mitazona alika amin’ny sofinyNy mpandalo misafoaka* amin’ny adin’ny olon-kafa.+ 18  Toy ny adala mandefa zana-tsipìka mirehitra sy mahafaty* 19  Izay manao sangy ratsy,* nefa avy eo miteny hoe: “Vazivaziko fotsiny iny e!”+ 20  Maty ny afo rehefa tsy misy kitay,Ary mijanona ny fifamaliana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.+ 21  Toy ny saribao atao anaty vainafo sy kitay atao anaty afo,Dia hoatr’izany koa fa manitatra ady ny olona tia ady.+ 22  Ny tenin’ny mpanendrikendrika dia hoatran’ny sakafo matsiro,*Ka tonga dia midina any an-kibo.+ 23  Toy ny ranom-bolafotsy nahosotra tamin’ny silaka tanimangaNy teny mamy ataon’ny* olona ratsy saina.*+ 24  Mahay miresaka erỳ ny mpankahala ka mihatsaravelatsihy,Nefa ny ao am-pony ao feno fitaka. 25  Aza matoky azy na dia manao teny malefaka aza izy,Satria zavatra fito maharikoriko no ao am-pony.* 26  Na dia mamitaka aza izy ka afeniny ny fankahalany,Dia hibaribary eo anivon’ny fiangonana ny toetra ratsiny. 27  Izay mihady lavaka ihany no ho latsaka ao,Ary izay manakodia vato ihany no hiverenany.+ 28  Halan’ny mpandainga ny olona voafitany,Ary manimba olona ny teny fandokafana.+

Fanamarihana

Na mety hoe “fa tsy mandaitra ny ozona atao amin’ny olona tsy mendrika hozonina.”
Abt: “sy misotro herisetra.”
Na: “mandratra ny olona rehetra.”
Na mety hoe “midikiditra.”
Na: “zana-tsipìka sy fahafatesana.”
Na: “mamitaka olona.”
Na: “zavatra atao teli-moka.”
Abt: “Ny molotra miredaredan’ny.”
Abt: “fo ratsy.”
Na: “Tena maharikoriko mantsy ny fony.”