Ohabolana 27:1-27

27  Tsy fantatrao izay havoaky ny andro tsirairay,+ ka aza mirehareha ny amin’ny ampitso.+  Aoka ny vahiny no hidera anao fa tsy ny vavanao, ary ny hafa firenena fa tsy ny molotrao.+  Mavesatra ny vato ary mafonja ny fasika,+ fa ny fahasosoran’ny adala mbola mavesatra noho izy roa ireo.+  Lozabe ny fahavinirana, ary toy ny tondra-drano ny fahatezerana,+ fa iza kosa no mahatanty ny fahasarotam-piaro?*+  Aleo anatra tsy an-kifonofono,+ toy izay fitiavana afenina.  Ny ratra ataon’izay tia anao dia mariky ny tsy fivadihany aminao,+ fa ny oroky ny mpankahala kosa italahoana vao azo.+  Hosihosen’ny voky* ny tantely, fa mamy amin’ny noana* kosa ny zava-mangidy rehetra.+  Toy ny vorona mandositra lavitra ny akaniny+ ny olona mandositra ny fonenany.+  Ny menaka sy ny emboka manitra+ no mahafaly ny fo, ary toy izany koa ny namana mahafinaritra izay manome torohevitra amim-pahatsorana.+ 10  Aza ilaozana ny namanao na ny naman’ny rainao, ary aza miditra ao an-tranon’ny rahalahinao amin’ny andro fahorianao. Aleo namana eo akaiky eo, toy izay rahalahy any lavitra any.+ 11  Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko,+ mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.+ 12  Mahatsinjo ny loza ny malina ka miafina,+ fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.+ 13  Alaivo ny akanjon’izay niantoka olona nisambo-bola, dia olona tsy fantany akory.+ Ary alaivo ny antoka nomen’ny olona niaraka tamin’ny vehivavy hafa firenena.+ 14  Izay mitso-drano ny namany amin’ny feo mafy, sady manao izany vao maraina, dia toy ny manozona ihany.+ 15  Ny vehivavy tia ady dia toy ny tafo mitete izay mampiala olona ao an-trano+ rehefa mikija ny orana. 16  Izay manome fialofana an-dravehivavy dia manome fialofana ny rivotra, ka menaka no horaisin’ny tanany ankavanana. 17  Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.+ 18  Izay mikarakara ny aviaviny no hihinana ny voany,+ ary izay olona miaro ny tompony no homem-boninahitra.+ 19  Toy ny itovizan’ny tarehy amin’ny sarin’ny tarehy hita taratra ao anaty rano no itovizan’ny fon’ny olona amin’ny fon’ny olon-kafa. 20  Samy tsy mety voky na ny Fasana* na ny toerana mahalò ny nofo,+ ary tsy mety afa-po koa ny mason’olombelona.+ 21  Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly,+ ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana,+ ary natao hitsapana ny olona kosa ny teny fiderana azy.+ 22  Na dia ataonao tsara toto ao anaty laona, miaraka amin’ny voa mbola tsy voatoto tsara, aza ny adala, dia tsy hiala aminy ny hadalany.+ 23  Fantaro tsara ny toetoetry ny andian’ondrinao. Karakarao amin’ny fo manontolo ny andiam-bibinao.+ 24  Fa tsy ho eo mandritra ny fotoana tsy voafetra ny harena,+ ary tsy haharitra ho an’ny taranaka rehetra hifandimby ny diadema. 25  Efa tsy misy intsony ny ahi-maitso, ary ahitra vaovao no mitsimoka, ary efa voangona ny zavamaniry eny an-tendrombohitra.+ 26  Ahazoanao akanjo ny vantotr’ondry,+ ary ahafahanao mividy tany ny osilahy. 27  Ampy hataonao sakafo ho anao sy ho an’ny ankohonanao ny rononon’osy, sady ho fiveloman’ny+ mpanompovavinao.

Fanamarihana

Na: “fialonana.”
Heb.: nefesh voky. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh noana. Jereo F.F. 3A.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.