Ohabolana 28:1-28

28  Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza,+ fa ny marina kosa feno toky toy ny liona+ tanora.  Noho ny fandikan-dalàna eo amin’ny tany dia maro ny mpitondra mifandimby,+ fa haharitra ela kosa ny fitondrany noho ny fisian’ny olon-kendry mahalala ny tokony hataony.+  Ny lehilahy mahantra izay manambaka+ ny tsy manana, dia toy ny ranonorana mifaoka ny zava-drehetra ka mahatonga ny sakafo tsy hisy.  Derain’ny olona mandika lalàna ny ratsy fanahy,+ fa izay mitandrina ny lalàna kosa tezitra aminy.+  Tsy mahazo ny dikan’ny hoe rariny ny olona tia manao ratsy, fa mahalala ny zava-drehetra kosa izay mitady an’i Jehovah.+  Aleo olo-mahantra tsy mivadika toy izay olona fetsifetsy, na dia manankarena aza.+  Mitandrina ny lalàna ny zanaka mahira-tsaina,+ fa manala baraka an-drainy kosa izay minamana amin’ny tendan-kanina.+  Izay mampitombo ny harenany amin’ny fakana zanabola+ sy tombony tafahoatra dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.+  Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna,+ na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko.+ 10  Izay mitarika ny olo-mahitsy hanaraka lalan-dratsy+ dia hilatsaka ao amin’ny lavaka nataony ihany,+ fa ny tsy manan-tsiny kosa hahazo zava-tsoa.+ 11  Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena,+ fa mahay mamantatra ny marina momba azy kosa ny mahantra mahay manavaka.+ 12  Mahafinaritra erỳ rehefa faly ny marina!+ Fa mody manao olon-kafa kosa ny olona rehefa misandratra ny ratsy fanahy.+ 13  Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby,+ fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.+ 14  Sambatra ny olona manan-tahotra mandrakariva,+ fa izay manamafy fo kosa hahita loza.+ 15  Ny mpitondra ratsy fanahy, izay manjaka amin’ny mahantra, dia toy ny liona mierona sy orsa mihazakazaka hanafika.+ 16  Be ny fitaka ataon’ny mpitarika tsy mahay manavaka,+ fa ho lava andro iainana kosa izay tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny.+ 17  Izay mivesatra trosan-dra noho izy namono olona* dia handositra hatrany an-davaka,+ ka aza misy misakana azy. 18  Hovonjena izay mandeha tsy misy tsiny,+ fa izay fetsifetsy kosa ho lavo avy hatrany.+ 19  Hanana sakafo ampy izay miasa ny taniny,+ fa izay mikatsaka zava-poana kosa hahantra+ fadiranovana. 20  Hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana,+ fa tsy hitoetra ho tsy manan-tsiny kosa izay maimay te hanan-karena.+ 21  Tsy tsara ny miangatra,+ ary tsy tsara ho an’ny lehilahy tomady koa ny mandika lalàna mba hahazoana sombi-mofo. 22  Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana,+ nefa tsy fantany fa hahantra izy. 23  Izay mananatra+ no hahazo sitraka kokoa noho izay manao teny fandokafana. 24  Ny olona mandroba ny rainy sy ny reniny+ nefa manao hoe: “Tsy fandikan-dalàna izany!”,+ dia naman’ny mpanimba ihany. 25  Mampisy fifandirana ny olona manambony tena,+ fa hotahina kosa izay miantehitra amin’i Jehovah.+ 26  Tsisy saina izay matoky ny fony,+ fa izay mandeha amim-pahendrena no ho afa-miala.+ 27  Izay manome ho an’ny mahantra dia tsy hanan-java-mahory,+ fa izay manakimpy ny masony kosa ho voaozona imbetsaka.+ 28  Miafina ny olona rehefa misandratra ny ratsy fanahy,+ fa rehefa ringana kosa ireny, dia mihabetsaka ny olo-marina.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.