Ohabolana 29:1-27

  • Mahamenatra ny zaza avela hanaram-po (15)

  • Samy manao izay tiany rehefa tsy misy fahitana (18)

  • Mampisy ady izay mora tezitra (22)

  • Hahazo voninahitra izay manetry tena (23)

  • Fandrika ny tahotra olona (25)

29  Izay efa nanarina imbetsaka nefa mbola mafy loha* ihany,+Dia ho torotoro tampoka ka tsy ho sitrana intsony.+  2  Faly ny vahoaka rehefa be dia be ny olo-marina,Fa mitaraina kosa izy ireo rehefa ny ratsy fanahy no mitondra.+  3  Mampifaly ny rainy ny olona tia fahendrena,+Fa mandanilany ny harenany kosa izay miaraka amin’ny mpivaro-tena.+  4  Lasa milamina ny tany rehefa manao ny rariny ny mpanjaka,+Fa mandrava azy kosa ny olona tia kolikoly.  5  Izay mandokadoka ny namany,Dia mamelatra harato hamandrihana ny tongotr’ilay namany.+  6  Mamandrika ny tenany ny olon-dratsy rehefa mandika lalàna,+Fa mifaly sy mihoby kosa ny olo-marina.+  7  Manaja ny zon’ny mahantra ny olo-marina,+Fa tsy miraharaha an’izany kosa ny ratsy fanahy.+  8  Mampikorontana ny iray tanàna ny mpirehareha,+Fa mampitony hatezerana kosa ny hendry.+  9  Raha miady amin’ny adala eny amin’ny fitsarana ny hendry,Dia tsy hisy zava-banona satria hitabataba sy hanesoeso fotsiny ilay adala.+ 10  Mankahala an’izay tsy manan-tsiny* ny mpandatsa-dra,+Ka te hamono an’ireo olo-marina.* 11  Avoakan’ny adala daholo ny hatezerany,*+Fa mahatsindry fo kosa ny hendry.+ 12  Raha mihaino lainga ny mpitondra,Dia ho ratsy fanahy daholo ny mpanompony.+ 13  Izao no mampitovy* ny mahantra sy ny mpampijaly: I Jehovah no manome hazavana ho an’ny mason’izy ireo.* 14  Raha mitsara ny mahantra ara-drariny ny mpanjaka,+Dia ho mafy orina foana ny seza fiandrianany.+ 15  Ny tsorakazo* sy ny anatra no mampahahendry,+Fa ny zaza avela hanaram-po kosa mahamenatra ny reniny. 16  Mitombo ny fandikan-dalàna rehefa mihabetsaka ny ratsy fanahy,Nefa ho hitan’ny olo-marina fa ratsy ny hiafaran’ireny.+ 17  Faizo ny zanakao, dia hampilamin-tsaina anao izy,Sady tena hahafinaritra anao.+ 18  Samy manao izay tiany fotsiny ny olona rehefa tsy misy fahitana,*+Fa sambatra kosa izay manaraka ny lalàna.+ 19  Tsy hanaiky hahitsy ny mpanompo raha tenenina fotsiny,Satria na azony tsara aza izany, dia tsy ankatoaviny.+ 20  Mahita olona faingam-bava ve ianao?+ Ny tsisy saina aza mbola misy antenaina noho izy.+ 21  Raha nampihantaina hatramin’ny mbola kely ny mpanompo,Dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any. 22  Mampisy ady izay mora tezitra,+Ary manao fahadisoana be dia be izay mora misafoaka.+ 23  Hietry izay manambony tena,+Fa hahazo voninahitra kosa izay manetry tena.+ 24  Mankahala ny tenany izay miray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Mety hasaina hijoro ho vavolombelona* izy, saingy tsy miteny na inona na inona.+ 25  Fandrika ny tahotra olona,*+Fa izay matoky an’i Jehovah kosa no ho voaro.+ 26  Maro no mangataka hiresaka amin’ny* mpitondra,Nefa amin’i Jehovah ihany ny olona no mahazo rariny.+ 27  Izay manao ny tsy rariny dia maharikoriko ny olo-marina,+Fa ny olo-marina koa maharikoriko ny ratsy fanahy.+

Fanamarihana

Abt: “manamafy hatoka.”
Na: “tsy misy tsiny.”
Na mety hoe “Fa te hiaro ny ainy kosa ny olo-marina.”
Na: “ny ao am-pony.” Abt: “ny sainy.”
Abt: “Mihaona.”
Izany hoe manome azy ireo fiainana.
Na: “famaizana.”
Na: “fahitana hitan’ny mpaminany; tari-dalana avy amin’Andriamanitra.”
Na: “hasaina hianiana sy hiozona.”
Na: “ny mangovitra eo anatrehan’ny olona.”
Na mety hoe “mila sitraka amin’ny.” Abt: “mitady ny tarehin’ny.”