Ohabolana 3:1-35

  • Hendre dia matokia an’i Jehovah (1-12)

    • Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao (9)

  • Sambatra ny olona mahita fahendrena (13-18)

  • Tsy ho tratran’ny loza izay manam-pahendrena (19-26)

  • Ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao amin’ny olona (27-35)

    • Manaova soa raha mbola azo atao (27)

3  Aza manadino ny fampianarako,* anaka,Ary enga anie ny fonao hankatò ny didiko!  2  Fa hahatonga anao ho lava andro iainana ireny,Ary hahatonga anao ho ela velona sy hiadana.+  3  Aza avela hiala aminao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.*+ Afatory eo amin’ny vozonao ireo toetra ireo,Ary soraty eo amin’ny fonao,+  4  Dia hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny olona ianao,+Ka ho hitan’izy ireo hoe misaina tsara.  5  Matokia an’i Jehovah+ amin’ny fonao manontolo,Fa aza miantehitra* amin’ny fahaizanao.+  6  Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao,+Dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.+  7  Aza mihevi-tena ho hendry,+ Fa matahora an’i Jehovah ka aza manao ratsy intsony.  8  Hanasitrana ny vatanao* izany,Sady hamelombelona ny taolanao.  9  Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao,+Sy amin’ny voaloham-bokatrao* rehetra.+ 10  Dia ho feno mitafotafo ny trano fitehirizam-bokatrao,+Ary ny divay vaovao hihoatra an’ireo fanantazanao divay.* 11  Aza lavina ny famaizan’i Jehovah, anaka,+Ary aza ankahalaina ny anatra omeny.+ 12  Fa izay tian’i Jehovah no anariny,+Toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.+ 13  Sambatra ny olona mahita fahendrena,+Sy ny olona lasa mahay mandinika. 14  Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volafotsy,Ary mahazo tombony kokoa izay manana azy noho izay manana volamena.+ 15  Sarobidy noho ny haran-dranomasina* izy io,Ary tsy misy azo ampitahaina aminy izay rehetra tianao. 16  Androm-piainana lava be no eny an-tanany ankavanana,Ary harena sy voninahitra no eny an-tanany ankavia. 17  Mahafinaritra ny lalany,Ary hahita fiadanana izay mandeha amin’ny lalany rehetra.+ 18  Hazon’aina ho an’izay mitazona azy izy io,Ary izay mifikitra mafy aminy no hatao hoe sambatra.+ 19  Nampiasa ny fahendreny i Jehovah tamin’izy nanorina ny tany,+ Ary nasehony hoe mahira-tsaina* izy tamin’izy nanao ny lanitra ho mafy orina.+ 20  Ny fahalalany no nampisaraka ny rano lalina,Sy nahatonga ny lanitra hitete ando.+ 21  Afantohy amin’izany* foana ny masonao, anaka. Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina, 22  Fa hahazoanao fiainana izany,Ary ho firavaka eo amin’ny tendanao. 23  Amin’izay dia handeha tsy manana ahiahy ianao eo amin’ny lalanao,Ary tsy ho tafintohina* mihitsy ny tongotrao.+ 24  Tsy mba hatahotra ianao rehefa matory.+Hatory tokoa ianao ka ho mamy ny torimasonao.+ 25  Tsy hatahoranao ny zavatra mampihorohoro tampoka,+Na ny oram-baratra mamely ny ratsy fanahy.+ 26  Fa i Jehovah no ho tokinao,+Ary harovany mba tsy ho voafandrika ny tongotrao.+ 27  Aza misalasala manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa,*+Raha mbola azonao atao* ihany ny manampy.+ 28  Aza miteny amin’ny namanao hoe: “Mandehana dia miverena amin’ny manaraka! Rahampitso ianao homeko”, Nefa afaka manome eo no ho eo ihany ianao. 29  Aza mitetika ny hanisy ratsy ny namanao,+Nefa izy miara-monina aminao sady matoky anao. 30  Aza mifamaly tsy amin’antony amin’olona,+Raha tsy nanao ratsy anao izy.+ 31  Aza mitsiriritra olona mahery setra,+Na mifidy ny lalany. 32  Halan’i Jehovah ny olona fetsifetsy,+Fa ataony namana akaiky kosa ny olona manao izay mahitsy.+ 33  Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy,+Fa ny fitahiany kosa ao an-tranon’ny olo-marina.+ 34  Esoesoiny mantsy izay maneso,+Fa ankasitrahany kosa ny mpandefitra.+ 35  Hahazo voninahitra ny hendry,Fa zavatra manala baraka kosa no sarobidy amin’ny adala.+

Fanamarihana

Na: “lalàko.”
Na: “ny fahamarinana.”
Abt: “miankina.”
Abt: “foitranao.”
Na: “amin’izay tsara indrindra amin’ny tombony azonao.”
Na: “famiazam-boalobokao.”
Jereo F.T.
Na: “mahay mandinika.”
Azo inoana hoe ireo toetran’Andriamanitra voaresak’ireo andininy eo aloha.
Na: “tsy hidona amin-javatra.”
Na: “amin’izay mila fanampiana.”
Na: “mbola vitan’ny tananao.”