Ohabolana 30:1-33

  • TENIN’I AGORA (1-33)

    • Aza atao mahantra na manankarena aho (8)

    • Zavatra tsy mety voky (15, 16)

    • Zavatra tsy mamela soritra (18, 19)

    • Vehivavy mpanitsakitsa-bady (20)

    • Biby manana fahendrena voajanahary (24)

30  Izao no hafatra mafonja tao amin’ny tenin’i Agora zanak’i Jake, izay nolazainy tamin’i Itiela sy Okala:  2  Izaho no tsy misaina indrindra amin’ny olona rehetra,+Sady tsy mba mahira-tsaina hoatran’ny olona.  3  Tsy mba nianatra ny atao hoe fahendrena aho,Ary tsy manana ny fahalalana ananan’Ilay Masina Indrindra.  4  Iza no niakatra tany an-danitra ka nidina avy any?+ Iza no nahavita nanangona rivotra tamin’ny tanany roa? Iza no nahavita nandrakotra ny rano tamin’ny akanjony?+ Iza no nahavita namaritra* ny faran’ny tany?+ Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany, raha fantatrao?  5  Madio toy ny metaly voadio daholo ny teny nolazain’Andriamanitra.+ Ampingan’izay mialoka aminy Izy.+  6  Aza ampiana ny teniny,+Sao hanariny ianao,Ka ho hita fa mpandainga.  7  Andriamanitra ô, zavatra roa no angatahiko aminao, Ka aza lavina dieny mbola tsy maty aho:  8  Ampio aho mba tsy hilaza zavatra tsy marina na handainga.+ Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Avelao fotsiny aho hihinana an’izay sakafo sahaza ahy,+  9  Sao ho voky aho ka handa anao, dia hiteny hoe: “Fa iza koa izay Jehovah?”,+ Na sao ho lasa mahantra aho ka hangalatra, dia hanala baraka* ny anaran’Andriamanitro. 10  Aza endrikendrehina any amin’ny tompony ny mpanompo,Sao izy hanozona anao, ka ho hita fa meloka ianao.+ 11  Misy taranaka manozona ny rainySady tsy manaja ny reniny.+ 12  Misy taranaka mihevi-tena ho madio,+Nefa tsy voasasa ka tsy afaka akory ny lotony.* 13  Misy taranaka manao fijery mianjonanjona be,Sady tena manao fijery miavonavona be.+ 14  Misy taranaka manana nify hoatran’ny sabatra,Sy vazana toy ny antsin-kena.Arapany ny madinika eto an-tany,Sy ny mahantra eo amin’ny olombelona.+ 15  Ny dinta dia manan-janakavavy roa, izay miantsoantso hoe: “Omeo! Omeo!” Ireto misy zavatra telo tsy mety voky,Eny, zavatra efatra tsy miteny mihitsy hoe: “Aoka izay!”: 16  Ny Fasana*+ sy ny kibo momba,Ny tany tsy misy rano,Ary ny afo izay tsy miteny mihitsy hoe: “Aoka izay!” 17  Ny mason’izay manesoeso ray sy tsy mankatò reny+Dia hotsaingohin’ny goaika mpankeny amin’ny lohasaha,*Sady ho lanin’ny zana-boromahery.+ 18  Ireto misy zavatra telo tsy takatry ny saiko,*Eny, zavatra efatra tsy azoko: 19  Ny lalan’ny voromahery manidina eny amin’ny lanitra,Ny lalan’ny bibilava mandady eny ambony vatolampy,Ny lalan’ny sambo mandeha eny afovoan-dranomasina,Ary ny ataon’ny lehilahy rehefa miaraka amin’ny tovovavy. 20  Izao no fanaon’ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: Mihinana izy dia mamafa vava,Ary miteny izy avy eo hoe: “Tsy nanao ratsy mihitsy aho!”+ 21  Ireto misy zavatra telo mampikorontana ny tany,Eny, zavatra efatra tsy zakany mihitsy: 22  Rehefa ny mpanompo no lasa mpanjaka,+Ary ny adala no lasa voky be, 23  Rehefa ny vehivavy halan’ny* olona no nisy naka vady,Ary ny mpanompovavy no maka ny toeran’ny tompovaviny.+ 24  Ireto misy zavatra efatra anisan’ny kely indrindra eto an-tany,Nefa manana fahendrena voajanahary:*+ 25  Ny vitsika dia zavaboary* tsy matanjaka,Nefa manangona ny sakafony rehefa fahavaratra.+ 26  Ny bitrom-bato+ dia zavaboary* tsy mahery,Nefa manao ny tranony eny ambony vatolampy.+ 27  Ny valala+ dia tsy manana mpanjaka,Nefa miara-mandroso manao andiany izy rehetra.+ 28  Ny katsatsaka+ dia mamikitra amin’ny tongony,Ary miditra ao amin’ny lapan’ny mpanjaka. 29  Ireto misy zavatra telo tsara famindra,Eny, zavatra efatra tsara fandeha: 30  Ny liona izay biby mahery indrindra,Sady tsy mba mihemotra eo anatrehan’iza na iza,+ 31  Ny alika mpihaza, ny osilahy,Ary ny mpanjaka mitarika ny tafiny. 32  Raha nanao hadalana ianao satria nanambony tena,+Na nitetika ny hanao an’izany,Dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao.+ 33  Fa ahazoana dibera ny ronono rehefa ahontsankontsana,Ary mandeha ra ny orona rehefa potserina,Dia hoatr’izany koa fa raikitra ny ady raha atao izay hampahatezitra ny olona.+

Fanamarihana

Abt: “nampisondrotra.”
Na: “handoto.”
Abt: “tainy.”
Jereo F.T.
Na: “lalan-driaka.”
Na: “zavatra telo mahagaga ahy loatra.”
Na: “tsy tian’ny.”
Na: “Nefa faran’izay hendry.”
Abt: “vahoaka.”
Abt: “vahoaka.”