Ohabolana 4:1-27

4  Henoy, anaka, ny anatry ny rainareo,+ ary aoka ianareo hanongilan-tsofina, mba hahira-tsaina.+  Fa tsara ny fampianarana homeko anareo.+ Aza mahafoy ny lalàko.+  Fa tena zanaka tokoa aho ho an’ny raiko,+ ary marefo sy tokana teo imason’ny reniko.+  Ary nampianatra ahy ny raiko+ ka nilaza hoe: “Aoka tsy hiala ao am-ponao+ ny teniko.+ Tandremo ny didiko, dia ho ela velona ianao.+  Miezaha hanana fahendrena,+ ary ataovy izay hananana fahiratan-tsaina.+ Aza hadinoina izay lazain’ny vavako ary aza lavina.+  Aza mahafoy ny fahendrena, dia hiambina anao izy. Tiavo izy, dia hiaro anao.  Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra.+ Koa miezaha hanana fahendrena, ary izay rehetra azonao dia ampiasao hahazoana fahiratan-tsaina.+  Aoka ho sarobidy aminao izy, dia hanandratra anao.+ Hanome voninahitra anao izy satria ianao mifikitra aminy.+  Dia hasiany fehiloha tsara tarehy ny lohanao,+ ary satroboninahitra tsara no homeny anao.”+ 10  Mihainoa, anaka, ary ekeo ny teniko,+ dia hihamaro ny taona hiainanao.+ 11  Hampianatra anao ny lalam-pahendrena aho.+ Hampandehaniko amin’ny lalan’ny fahitsiana ianao.+ 12  Rehefa mandeha ianao, dia tsy ho voasembantsembana ny dianao,+ ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy mba ho tafintohina.+ 13  Tano mafy ny anatra omena anao+ ka aza avela.+ Hazòny izy, fa ainao.+ 14  Aza mankany amin’ny lalan’ny ratsy fanahy,+ aza mamantana any amin’ny lalan’ny olon-dratsy.+ 15  Halaviro ny lalany+ ka aza andalovana,+ eny, mivilia ka zory ny lalanao.+ 16  Fa tsy matory ireny raha tsy manao ratsy,+ ary tsy mahita tory raha tsy manafintohina olona.+ 17  Mihinana ny mofo azo tamin’ny fanaovan-dratsy ireny,+ ary misotro ny divay azo tamin’ny herisetra.+ 18  Fa ny lalan’ny marina kosa dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.+ 19  Ny lalan’ny ratsy fanahy dia tahaka ny haizim-pito.+ Tsy fantany akory izay mahatafintohina azy.+ 20  Henoy, anaka, ny teniko,+ ary aoka ianao hanongilan-tsofina amin’izay lazaiko.+ 21  Aoka tsy hiala eo imasonao izany+ ary raketo ao am-ponao.+ 22  Fa midika ho fiainana ho an’izay mahita azy izany,+ ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.+ 23  Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana,+ fa avy ao aminy ny loharanon’aina.+ 24  Esory aminao ny vava fandainga,+ ary ataovy lavitra anao ny molotra mamitaka.+ 25  Aoka ny masonao hijery tsara ny any aloha,+ eny, aoka ny masonao hibanjina ny eo anoloanao.+ 26  Ataovy mitovy tantana izay hodiavin’ny tongotrao,+ ary aoka ho azo antoka tsara ny lalanao rehetra.+ 27  Aza mivily miankavanana na miankavia.+ Ampanalaviro ny ratsy ny tongotrao.+

Fanamarihana