Ohabolana 6:1-35

6  Anaka, raha nanaiky hiantoka olona nisambo-bola ianao,+ raha nifanaiky tamin’olona tsy fantatrao tsara ianao ka efa nifandray tanana taminy,+  raha voafandrik’izay nolazain’ny vavanao ianao,+ ary raha voafatotr’izay noteneninao,  dia afaho ny tenanao, anaka, satria efa eo am-pelatanan’ilay olona ianao,+ ka izao no ataovy: Mandehana ka manetre tena eo anatrehany, ary iangavio fatratra izy.+  Aza avela hatory na ho rendremana ny masonao.+  Afaho ny tenanao, toy ny gazela mitsoriaka tsy ho azon’ny mpihaza, sy toy ny vorona mandositra tsy ho azon’ny mpamandri-borona.+  Mandehana any amin’ny vitsika,+ ry ilay kamo.+ Diniho ny fanaony ka mba hendre.  Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy,  dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra,+ ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.  Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory?+ Rahoviana ianao no hifoha amin’ny torimasonao?+ 10  Mbola hatory kely ihany, mbola ho rendremana kely ihany, ary mbola hamoritra tanana ihany ka hatory kely,+ 11  dia ho avy tampoka sahala amin’ny mpandroba ny fahantranao,+ ary ho sahala amin’ny lehilahy mirongo fiadiana ny tsy fahampiana hanjo anao.+ 12  Mpandaingalainga ny olona tsy manjary,+ eny, ny olona mitetika ny hanao ratsy.+ 13  Mipy maso izy,+ sady manao fihetsika amin’ny tongony mba hilazan-javatra, ary manao fihetsika amin’ny rantsantanany.+ 14  Hevi-dratsy no ao am-pony.+ Mikendry ny hanao ratsy foana izy,+ ary manao izay hampisy fifandirana.+ 15  Koa hamely azy tampoka ny loza.+ Ho torotoro avy hatrany izy ka tsy ho sitrana intsony.+ 16  Misy zavatra enina halan’i Jehovah,+ eny, fito ny zavatra maharikoriko azy:*+ 17  Ny maso miandranandrana,+ ny lela fandainga,+ ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny,+ 18  ny fo mamorona teti-dratsy,+ ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy,+ 19  ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga,+ ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.+ 20  Ankatoavy, anaka, ny didin-drainao,+ ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.+ 21  Afatory eo amin’ny fonao mandrakariva izany,+ ary fehezo eo am-bozonao.+ 22  Hitari-dalana anao izy io raha mandeha ianao,+ sy hiambina anao raha matory ianao,+ ary hiahy anao foana rehefa mifoha ianao. 23  Fa jiro ny didy,+ fahazavana ny lalàna,+ ary lalana mankany amin’ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana,+ 24  mba hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena,+ sy tsy ho babon’ny teny malefaka ataon’ny vehivavy hafa firenena.+ 25  Aoka ny fonao tsy hitsiriritra azy noho ny hatsaran-tarehiny,+ ary aza avela hambabo anao amin’ny masony manintona izy,+ 26  satria ny vehivavy mpivaro-tena no mahatonga ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo.+ Fa ny vehivavy vadin’olona kosa mamela-pandrika mba hamandrihana aina sarobidy.+ 27  Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?+ 28  Ary misy olona afaka mandeha eo ambony vainafo ve, nefa tsy ho may ny tongony? 29  Toy izany izay lehilahy manao firaisana amin’ny vadin’olona:+ Tsy hisy ho afa-maina izay mikasika an-dravehivavy.+ 30  Amin’ny olona, dia tsy mampaninona raha mangalatra zavatra hahavoky azy ny mpangalatra rehefa noana. 31  Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra avo fito heny, ka hanome ny zava-tsarobidy rehetra ao an-tranony.+ 32  Tsy ampy saina*+ izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amim-behivavy. Manimba tena izay lehilahy manao izany.+ 33  Hahita loza sy halaza ratsy izy,+ ary tsy ho voakosoka mihitsy ny fahafaham-barakany.+ 34  Fa entin’ny fahasarotam-piaro ny lehilahy ka tezitra mafy,+ ary tsy hamindra fo izy amin’ny andro anaovany valifaty.+ 35  Tsy ahoany mihitsy izay mety ho onitra, sady tsy vonona ny hilefitra izy na dia lehibe toy inona aza ny fanomezana ataonao.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “Tsy manana fo.”