Ohabolana 7:1-27

  • Araho ny didin’Andriamanitra, dia ho velona ianao (1-5)

  • Tovolahy mora fetsifetsena (6-27)

    • “Toy ny omby entina hovonoina” (22)

7  Araho foana ny teniko, anaka,Ary tehirizo ao am-ponao ny didiko.+  2  Araho ny didiko, dia ho velona ianao,+Ary arovy toy ny anakandriamasonao ny teniko.*  3  Afatory eo amin’ny rantsantananao izany,Ary soraty eo amin’ny fonao.+  4  Lazao amin’ny fahendrena hoe: “Anabaviko ianao”, Ary amin’ny fahiratan-tsaina hoe: “Havako ianao.”  5  Amin’izay ianao harovany amin’ny vehivavy maditra,*+Sy amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena,* izay manao teny malefaka.*+  6  Tamin’izaho nitazana avy teo am-baravarankelin’ny tranoko,Teo amin’ilay makarakara,  7  Dia nandinika an’ireo olona mora fetsifetsena* aho,Ka nahamarika tovolahy iray tsy ampy saina,* izay niaraka tamin’ny tanora maromaro.+  8  Nandalo teo amin’ilay zoron-dalana teny akaikin’ny tranon’ilay vehivavy izy,Dia nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tranony.  9  Harivariva efa maizimaizina tamin’izay,+Rehefa ho alina sy maizina iny ny andro. 10  Dia iny nisy vehivavy nitsena azy,Nanao akanjona mpivaro-tena+ sady fetsifetsy. 11  Petsam-bava be izy sady sahisahy.+ Tsy mba mipetraka an-trano mihitsy koa izy,* 12  Fa mbetika eny ivelany, mbetika eny amin’ny tany malalaky ny tanàna.Eny akaikin’ny zoron-dalana rehetra eny izy no miandriandry.+ 13  Notazoniny ilay tovolahy dia norohany.Hita hoe sahisahy be ilay vehivavy niteny hoe: 14  “Tsy maintsy nanao sorona iombonana aho,+ Ary nanefa ny voadiko aho androany. 15  Dia nivoaka hitsena anao ahoMba hitady anao, dia hitako ianao! 16  Efa nasiako lambam-pandriana tsara tarehy ny fandrianako,Lamba rongony marevaka avy any Ejipta.+ 17  Efa nofafazako miora sy aloesy ary kanelina koa ny fandrianako.+ 18  Andao isika hiara-higoka ny hamamin’ny fitiavana, mandra-paharainan’ny andro.Andao isika haka fahafinaretana amin’ny fifanehoam-pitiavana. 19  Tsy ao an-trano mantsy ny vadiko,Fa nandeha lavitra be. 20  Nitondra kitapom-bola izy,Dia tsy hody raha tsy efa fenomanana ny volana.” 21  Noreseny lahatra teo foana ilay tovolahy dia voafitaka.+ Nanaovany teny malefaka izy ka babony. 22  Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy, toy ny omby entina hovonoina,Ary hoatran’ny adala hosazina dia hasiana gadra hazo.*+ 23  Farany, dia nitsatoka tamin’ny atiny ny zana-tsipìka.Toy ny vorona misosososo mankao anaty fandrika izy, ka tsy fantany hoe haningotra ny ainy izany.+ 24  Henoy àry aho, anaka,Henoy tsara izay lazaiko. 25  Aza avela hivily mankany amin’ny lalan’ilay vehivavy ny fonao. Aza mandehandeha eny amin’ny lalany,+ 26  Fa be dia be ny olona efa matiny,+Ary betsaka no efa novonoiny.+ 27  Lalana mankany amin’ny Fasana* ny tranony,Dia lalana midina mankany amin’ny efitra anatiny misy ny maty.

Fanamarihana

Na: “lalàko.”
Abt: “vahiny.” Jereo Oh 2:16.
Abt: “vahiny.” Jereo Oh 2:16.
Na: “manangoly.”
Na: “olona tsy dia nahita fiainana; olona tanora fanahy.”
Abt: “tsy misy fo.”
Abt: “ny tongony.”
Na: “boloky hazo.” Jereo F.T.
Jereo F.T.