Ohabolana 9:1-18

  • Manasa ho ao an-tranony ny tena fahendrena (1-12)

    • “Izaho no manalava ny androm-piainanao” (11)

  • Manasa ho ao an-tranony ny vehivavy tsisy saina (13-18)

    • “Mamy ny rano nangalarina” (17)

9  Nanorina ny tranony ny tena fahendrena,Ary nanangana* ny andry fito amin’ilay trano.  2  Nokarakarainy tsara ny hena,*Dia nasiany fangarony ny divainy,Ary nataony vonona ny latabatra.  3  Dia nirahiny ny ankizivavy mpanompony,Mba hiantsoantso eny amin’ny toerana avoavo ao an-tanàna hoe:+  4  “Tongava atỳ izay mbola tsy dia nahita fiainana!”* Hoy koa izy amin’ny tsy ampy saina:*  5  “Avia hihinana ny mofo nokarakaraiko,Sy hisotro ny divay efa nasiako fangarony.  6  Ialao ny tsy fahamatorana* dia ho velona ianao,+Ary avelao hitarika anao ny fahiratan-tsaina.”+  7  Manala baraka ny tenany izay manitsy ny mpanesoeso.+Ary hahita loza izay mananatra ny ratsy fanahy.  8  Aza mananatra ny mpanesoeso sao ho halany ianao.+ Ny hendry kosa no anaro dia ho tiany ianao.+  9  Toroy hevitra ny hendry, dia vao mainka izy ho hendry.+ Ampianaro ny olo-marina, dia hitombo ny zavatra fantany. 10  Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena,+Ary izay mahalala an’Ilay Masina Indrindra+ no mahira-tsaina. 11  Izaho* no manalava ny androm-piainanao,+Sy mampitombo ny taona iainanao. 12  Raha lasa hendry ianao, dia ianao ihany no handray soa amin’izany,Fa raha manesoeso ianao, dia ianao ihany no hizaka ny vokany. 13  Petsam-bava ny vehivavy tsisy saina,+ Dondrona izy sady tsy mahay na inona na inona mihitsy. 14  Mipetraka eo ambony seza eo am-baravaran’ny tranony izy,Eny amin’ny toerana avoavo ao an-tanànany,+ 15  Sady miantsoantso an’izay mandalo,Dia izay mandeha eny an-dalana, hoe: 16  “Tongava atỳ izay mbola tsy dia nahita fiainana!”* Hoy koa izy amin’ny tsy ampy saina:*+ 17  “Mamy ny rano nangalarina,Ary tsara ny mofo hanina miafina.”+ 18  Tsy fantatr’izy ireny anefa hoe ny maty, izay tsy mahavita na inona na inona, no any,Ary any amin’ny Fasana* ny olona nasain’ilay vehivavy.+

Fanamarihana

Na: “nanao sokitra; nipai-bato hanaovana.”
Abt: “Naripany ny biby naripany.”
Na: “mbola tanora fanahy.”
Abt: “tsy misy fo.”
Na: “ny olona tsy dia nahita fiainana; ny olona tanora fanahy.”
Izany hoe ny fahendrena.
Na: “mbola tanora fanahy!”
Abt: “tsy misy fo.”
Jereo F.T.