Romanina 1:1-32

1  Paoly, mpanompon’i+ Jesosy Kristy, voantso+ ho apostoly,+ ary voatokana hitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra,+  dia ny vaovao tsara nambarany mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminaniny,+ ao amin’ny Soratra Masina.  Izany vaovao tsara izany dia momba ny Zanany, izay avy amin’ny taranak’i Davida+ raha araka ny nofo,+  fa nambara tamin-kery+ ho Zanak’Andriamanitra+ kosa raha araka ny fanahy+ masina, tamin’izy natsangana tamin’ny maty.+ Eny, tsy iza izany fa i Jesosy Kristy Tompontsika,  izay nahazoanay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ sy fanendrena ho apostoly,+ mba hahatonga ny firenena rehetra+ hino ka hankatò, ho voninahitry ny anarany.  Ary voantso avy teo amin’ireny firenena ireny koa ianareo mba ho an’i Jesosy Kristy.  Ho anareo rehetra any Roma, izay malalan’Andriamanitra sy voantso+ ho olona masina,+ Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana+ izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!+  Misaotra+ an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho aloha noho ny aminareo rehetra, satria re laza+ eran’izao tontolo izao ny finoanareo.  Amin’ny foko manontolo no anaovako fanompoana masina ho an’Andriamanitra ka itoriako ny vaovao tsara momba ny Zanany. Ary Andriamanitra no vavolombeloko+ fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo amim-bavaka aho,+ 10  sady mitalaho mba ho tonga soa aman-tsara any aminareo ihany, raha sitrapon’Andriamanitra.+ 11  Maniry mafy hahita anareo mantsy aho,+ mba hampita fanomezana ara-panahy+ aminareo. Amin’izay dia ho mafy orina ianareo, 12  na, raha ny marimarina kokoa, dia hisy fifampaherezana+ eo amintsika, ka mba hampahery anareo ny finoako ary ny anareo kosa hampahery ahy.+ 13  Tsy tiako tsy ho fantatrareo anefa, ry rahalahy,+ fa efa imbetsaka aho no nikasa hankatỳ aminareo+ mba hahazoako vokatra+ eo aminareo koa, tahaka ny eo amin’ny hafa firenena, kanefa voasakana aho hatramin’izao. 14  Manan-trosa amiko ny Grika sy ny tsy Grika, ny hendry+ sy ny tsy hendry: 15  Koa marisika hitory ny vaovao tsara+ aminareo izay any Roma+ koa aho. 16  Fa tsy menatra+ noho ny vaovao tsara aho, fa herin’Andriamanitra+ izy io ho famonjena izay rehetra mino,+ dia ny Jiosy aloha+ vao ny Grika koa.+ 17  Ary amin’ny alalan’ny vaovao tsara no ampiharihariana ny fahamarinan’Andriamanitra.+ Izany dia vokatry ny fananana finoana+ ka vao mainka mampitombo finoana, araka ny voasoratra hoe: “Fa ny olo-marina dia ho velona noho ny finoany.”+ 18  Fa aharihary avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra,+ dia ny fahatezerany amin’ny asa ratsy sy ny tsy fahamarinana+ rehetra ataon’ny olona, izay mampiasa fomba tsy marina+ mba hisakanana ny fahamarinana.+ 19  Miharihary eo amin’izy ireo mantsy izay azo fantarina momba an’Andriamanitra,+ satria nahariharin’Andriamanitra taminy izany.+ 20  Fa ny toetrany tsy hita maso,+ izany hoe ny heriny+ mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy,+ dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao,+ satria hita amin’ny zavatra nataony.+ Koa tsy afa-tsiny izy ireo,+ 21  satria nahalala an’Andriamanitra, nefa tsy nanome voninahitra azy amin’ny maha Andriamanitra azy sady tsy nisaotra azy.+ Fa nanjary poakaty ny fomba fisainany,+ ary nanjary maizina ny fony feno hadalana.+ 22  Na dia nanizingizina aza izy ireo fa hendry, dia nanjary adala,+ 23  ka ny voninahitr’ilay+ Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra toy ny sarin’olona+ mety lo sy toy ny sary mampiseho vorona sy biby manan-tongotra efatra ary biby mandady.+ 24  Koa navelan’Andriamanitra hanao fahalotoana araka ny fanirian’ny fony izy ireo,+ mba hahafa-baraka+ ny vatany.+ 25  Nanakalo ny fahamarinan’Andriamanitra+ tamin’ny lainga+ ireo, ka nanompo zavatra noforonina sy nivavaka tamin’izany, fa tsy tamin’ny Mpamorona, izay isaorana mandrakizay. Amena.* 26  Izany no antony namelan’Andriamanitra azy hanaraka ny filan’ny nofo mahafa-baraka,+ fa nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary ny vehivavy teo aminy.+ 27  Torak’izany koa fa na ny lehilahy aza namela ny fanao voajanahary amin’ny vehivavy,+ ary nanjary narehitry ny filana mafy dia mafy hanao zava-betaveta+ teo amin’izy samy lehilahy,+ ka nandray tao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany,+ dia valiny sahaza azy noho ny fahadisoany.+ 28  Koa satria tsy sitrak’izy ireo ny hahalala marina tsara+ an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra hanana toe-tsaina tsy ankasitrahany+ izy ireo, hanao zavatra tsy mendrika.+ 29  Feno ny tsy fahamarinana+ rehetra mantsy izy ireo, eny, feno ny haratsiam-panahy+ rehetra sy ny fitsiriritana+ rehetra ary ny faharatsiana+ rehetra, sady feno fialonana+ sy famonoana olona+ sy fifamaliana+ sy fitaka+ ary hasomparana.+ Mpibitsibitsika+ izy ireo, 30  mpanaratsy,+ mpankahala an’Andriamanitra, mpanambany+ olona, mpanambony tena,+ matin-kambo,+ mpamorona zava-dratsy,+ tsy mpankatò ray aman-dreny,+ 31  tsy misaina,+ tsy manaja fifanekena,+ tsy tia ny mpianakaviny,+ tsy misy antra.+ 32  Fantany tsara tokoa ilay didin’Andriamanitra+ ara-drariny hoe mendrika ny ho faty+ izay mpanao ireo, nefa mbola manao ihany izy sady mankasitraka+ an’izay mpanao izany koa.

Fanamarihana

Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”