Romanina 10:1-21

10  Ry rahalahy, ny sitraky ny foko sy ny italahoako amin’Andriamanitra ho azy ireo dia ny mba hahazoany famonjena.+  Fa mijoro ho vavolombelona aho fa mafana fo+ ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.+  Koa satria tsy nahalala ny fahamarinan’Andriamanitra+ izy fa nitady hanamarina ny tenany,+ dia tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra.+  Fa Kristy no faran’ny Lalàna,+ mba hambara ho marina izay rehetra mino.+  Nanoratra mantsy i Mosesy fa izay manao ny fahamarinana avy amin’ny Lalàna no ho velona amin’ny alalan’izany.+  Izao kosa no voalaza momba ny fahamarinana avy amin’ny finoana: “Aza manao anakampo+ hoe: ‘Iza no hiakatra any an-danitra?’,+ izany hoe mba hampidina an’i Kristy,+  na hoe: ‘Iza no hidina any amin’ny lavaka mangitsokitsoka?’,+ izany hoe mba hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty.”+  Inona anefa no lazain’ny Soratra Masina? “Eo akaikinao, izany hoe eo am-bavanao sy ao am-ponao ny teny”,+ dia ny “tenin’ny”+ finoana izay torinay.+  Fa raha ambaranao ampahibemaso izany ‘teny eo am-bavanao’ izany+ ka lazainao fa i Jesosy no Tompo,+ ary inoanao ao am-po fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty,+ dia hovonjena ianao.+ 10  Fa amin’ny fo+ no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana+ ampahibemaso mba hahazoana famonjena. 11  Hoy mantsy ny Soratra Masina: “Tsy hisy ho diso fanantenana izay mino azy.”+ 12  Fa tsy misy fahasamihafana ny Jiosy sy ny Grika.+ Iray ihany mantsy ny Tompo izay ambonin’izy rehetra, sady manome be dia be+ ho an’izay rehetra miantso azy. 13  Fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”+ 14  Hataon’izy ireo ahoana anefa no fiantso izay tsy inoany?+ Ary hataony ahoana no fino izay olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mitory?+ 15  Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina?+ Araka ny voasoratra hoe: “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ireo mitory ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa!”+ 16  Na izany aza, dia tsy izy rehetra no nankatò ny vaovao tsara.+ Fa hoy i Isaia: “Jehovah ô, iza no mba nino ny zavatra reny taminay?”+ 17  Koa ny finoana dia avy amin’izay re,+ ary izay re kosa dia avy amin’ny teny momba an’i Kristy.+ 18  Manontany anefa aho hoe: Sao tsy nahare izy ireo? Raha ny marina, dia “efa nivoaka eran-tany ny feony,+ ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany onenana ny teny lazainy.”+ 19  Manontany anefa aho hoe: Sao tsy nahalala ny Israely?+ Voalohany, dia hoy i Mosesy: “Hataoko izay hialonanareo ny tsy firenena, ary hataoko izay hampahatezitra mafy anareo amin’izay firenena adaladala.”+ 20  Fa i Isaia aza tena sahy nilaza hoe: “Hitan’izay tsy nitady ahy aho,+ ary niseho tamin’izay tsy niantso ahy.”+ 21  Hoy kosa izy ny amin’ny Israely: “Tontolo andro no namelarako ny tanako tamin’ny vahoaka izay sady tsy mankatò+ no mamalivaly.”+

Fanamarihana