Romanina 11:1-36

11  Koa manontany aho hoe: Nolavin’Andriamanitra angaha ny vahoakany?+ Sanatria izany! Fa izaho koa mba Israelita,+ taranak’i Abrahama, avy amin’ny fokon’i Benjamina.+  Tsy nolavin’Andriamanitra ny vahoakany, izay nekeny voalohany indrindra.+ Fa tsy fantatrareo angaha izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny amin’i Elia, rehefa niangavy an’Andriamanitra hamely ny Israely izy?+  “Jehovah ô, novonoin’izy ireo ho faty ny mpaminaninao, narodany ny alitaranao, ary izaho irery sisa, nefa mbola mifofo ny aiko* koa izy ireo.”+  Inona anefa no nambaran’Andriamanitra+ taminy? “Izaho efa namela olona fito arivo ho ahy, dia izay tsy nandohalika tamin’i Bala.”+  Ary toy izany koa fa mbola misy sisa tavela+ ihany ankehitriny, dia ireo voafidy+ noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.  Raha noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ izany, dia tsy noho ny ataon’ny olona intsony.+ Raha tsy izany, dia tsy ho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa intsony ilay hatsaram-panahy.+  Ahoana àry? Tsy azon’ny Israely izay tena notadiaviny fatratra,+ fa ireo voafidy+ no nahazo izany. Ny hafa kosa nanjary tsy nihontsina,+  araka ny voasoratra hoe: “Efa nataon’Andriamanitra renoky ny torimaso lalina izy ireo,+ ary nomeny maso mba tsy hahitany sy sofina mba tsy handrenesany, mandraka androany.”+  Hoy koa i Davida: “Aoka ny latabatr’izy ireo ho fandrika sy vela-pandrika sy vato mahatafintohina ary famaizana.+ 10  Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita, ary ataovy mivokoka foana izy.”+ 11  Koa manontany aho hoe: Sao tafintohina izy ireo ka lavo+ tanteraka? Sanatria izany! Noho ny fahadisoan’izy+ ireo anefa no amonjena ny olona hafa firenena,+ mba hampialona+ azy. 12  Raha harena ho an’izao tontolo izao àry ny fahadisoan’izy ireo, ary harena ho an’ny olona hafa firenena ny fihenany,+ koa mainka fa ny isany feno!+ 13  Ianareo hafa firenena indray izao no iresahako. Koa satria apostoly+ ho an’ny hafa firenena+ tokoa aho, dia mankalaza+ ny fanompoako,+ 14  raha mba misy hahafahako hampialona ireo mpiray firenena amiko ka hamonjeko+ ny sasany aminy.+ 15  Fa raha midika ho fampihavanana+ an’izao tontolo izao amin’Andriamanitra ny fanariana azy ireo,+ moa ve ny fandraisana azy ireo tsy midika ho fiainana ho an’ireo efa maty? 16  Ankoatra izany, raha masina ny ampahany amin’ny koba atao voaloham-bokatra,+ dia masina koa ilay koba manontolo. Ary raha masina+ ny fakan’ny hazo, dia masina koa ny sampany. 17  Izao anefa: Notapahina ny sampany sasany, nefa ianao na dia olivadia aza, dia natao grefy teo amin’izay sisa tavela,+ ka nanjary nandray soa tamin’ny fakan’ilay oliva+ koa, dia ilay fakany be menaka.+ Koa raha izany no izy, 18  dia aza mirehareha amin’ireo sampany efa tapaka. Raha mirehareha aminy anefa ianao,+ dia tsarovy fa tsy ianao no mitondra ny fakany,+ fa ny fakany no mitondra anao.+ 19  Hilaza àry ianao hoe: “Nisy sampany notapahina+ mba hahafahana hanao grefy ahy.”+ 20  Eny, marina izany! Noho ny tsy finoany+ anefa no nanapahana azy ireo, fa noho ny finoanao kosa no ijoroanao.+ Aza mihevi-tena ho ambony intsony,+ fa matahora.+ 21  Fa raha tsy nitsimbina ny tena sampany Andriamanitra, dia tsy hitsimbina anao koa.+ 22  Jereo àry fa sady tsara fanahy+ Andriamanitra no hentitra.+ Hentitra izy amin’izay lavo,+ fa tsara fanahy kosa aminao, raha mbola miezaka+ ny ho mendrika ny hatsaram-panahiny ihany ianao. Raha tsy izany, dia hokapaina+ koa ianao. 23  Hatao grefy koa izy ireo raha miala amin’ny tsy finoany,+ fa hain’Andriamanitra ny manao grefy azy indray. 24  Notapahina tamin’ny olivadia ianao ka natao grefy+ tamin’ilay oliva nambolena, na dia tsy izany aza no fanao. Koa raha ianao aza natao toy izany, mainka fa izy ireo izay tena sampany no hatao grefy amin’ilay oliva nisy azy!+ 25  Mba tsy hiheveranareo tena ho hendry, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo izao zava-miafina+ masina izao: Nisy tsy nihontsina+ ny Israely, mandra-pahafenon’ny isan’ny+ hafa firenena izay niditra,+ 26  ary izany no fomba hamonjena ny Israely+ rehetra, araka ny voasoratra hoe: “Hivoaka avy ao Ziona ny mpanafaka+ ka hampiala an’i Jakoba amin’ny fanao ratsiny.+ 27  Ary izany no fifanekena ataoko amin’izy ireo,+ rehefa esoriko ny fahotany.”+ 28  Marina fa raha ny amin’ny vaovao tsara, dia fahavalon’Andriamanitra izy ireo mba handraisanareo soa,+ fa raha ny amin’ny fifidianan’Andriamanitra kosa, dia malalany izy ireo noho ny amin’ny razany.+ 29  Tsy hanenenan’Andriamanitra+ mantsy ny fanomezana sy ny fiantsoana nataony. 30  Fa tsy nankatò+ an’Andriamanitra ianareo fahiny, nefa namindrana fo+ ankehitriny noho ny tsy nankatoavan’izy ireo.+ 31  Dia toy izany koa fa tsy nankatò izy ireo ankehitriny, hany ka amindrana fo ianareo,+ mba hamindrana fo koa izy ireo. 32  Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tao anatin’ny tsy fankatoavana,+ mba hamindrany fo amin’izy rehetra.+ 33  Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra+ sy ny fahendreny+ ary ny fahalalany!+ Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany+ ary tsy hay fantarina ny lalany! 34  Fa “iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah,+ ary iza no lasa mpanoro hevitra azy?”+ 35  Na, “iza no nanome azy aloha, ka tsy maintsy valiany koa avy eo?”+ 36  Fa avy aminy ny zava-drehetra, ary izy no nampisy izany sady ho azy izany.+ Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay!+ Amena.

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.