Romanina 12:1-21

12  Koa miangavy anareo aho, ry rahalahy, noho ny fangoraham-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo+ ho sorona+ velona+ sy masina+ ary ankasitrahan’Andriamanitra.+ Izany dia fanompoana masina+ ampiasanareo ny sainareo.+  Ary aza manaiky intsony hovolavolain’ity+ tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo,+ mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo+ ny sitrapon’Andriamanitra,+ izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.  Fa noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa naseho tamiko, dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina,+ fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara,+ araka ny fatram-pinoana+ nozarain’Andriamanitra taminy avy.  Fa manana rantsambatana maro isika eo amin’ny vatana iray,+ nefa tsy mitovy ny asan’izy rehetra.  Toy izany koa isika, na maro aza, dia vatana iray+ tafaray amin’i Kristy, sady rantsambatana mifampiankina.+  Nahazo fanomezana samy hafa+ isika, arakaraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ naseho tamintsika: Raha faminaniana, dia aoka isika haminany araka ny finoana nozaraina tamintsika.  Raha fanompoana, dia aoka isika hanohy izany fanompoana+ izany. Ary izay mampianatra,+ dia aoka izy hanohy izany fampianarany+ izany.  Izay mananatra, dia aoka izy hanohy izany fananarany+ izany. Izay mizara, dia aoka izy hanao izany ka halala-tanana.+ Izay mitarika,+ dia aoka izy hanao izany amim-pahazotoana. Izay mamindra fo,+ dia aoka izy hanao izany amim-pifaliana.  Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy+ ny fitiavanareo.+ Ankahalao ny ratsy,+ mifikira amin’ny tsara.+ 10  Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.+ Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.+ 11  Aza malaina amin’izay ataonareo.+ Aoka ianareo harehitry ny fanahy.+ Manompoa an’i Jehovah.+ 12  Mifalia amin’ny fanantenana.+ Miareta fahoriana.+ Mahareta amin’ny vavaka.+ 13  Mba anomezo amin’izay anananareo ny olona masina, araka izay ilainy.+ Miezaha ho tia mandray vahiny.+ 14  Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo,+ eny, aoka hirary soa+ fa tsy hanozona.+ 15  Miaraha mifaly amin’izay mifaly,+ ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. 16  Aoka ny fomba fihevitrareo ny hafa hitovy amin’ny fomba fihevitrareo ny tenanareo.+ Aza manambony tena+ fa mikatsaha zavatra tsotra.+ Aoka ianareo tsy hihevi-tena ho hendry.+ 17  Aza mamaly ratsy ny ratsy,+ na amin’iza na amin’iza. Manaova izay tsara eo imason’ny olona rehetra. 18  Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna+ amin’ny olona rehetra. 19  Aza mamaly faty,+ ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra,+ fa voasoratra hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.”+ 20  Fa “raha noana ny fahavalonao dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, omeo zavatra hosotroiny,+ satria ny fanaovanao izany dia hanalefaka ny hamafin’ny fony, toy ny hoe mampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao.”+ 21  Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.+

Fanamarihana