Romanina 13:1-14

13  Aoka ny olona* rehetra samy hanaiky+ ny manam-pahefana,+ fa tsy misy fahefana+ afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra.+ Eny, napetrak’Andriamanitra+ eo amin’ny toerany+ avy ny manam-pahefana.  Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra. Ary hahazo fanamelohana ho an’ny tenany ireo manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra.+  Fa ny mpitondra dia tsy atahoran’izay manao ny tsara, fa atahoran’izay manao ratsy.+ Tianao àry ve ny tsy hatahotra ny fahefana? Ataovy foana izay tsara,+ dia hahazo dera avy aminy ianao.  Fa mpanompon’Andriamanitra hitondra soa ho anao izy.+ Raha manao ratsy anefa ianao,+ dia matahora fa misy antony matoa mitondra ny sabatra izy. Fa mpanompon’Andriamanitra izy sady mpamaly+ an’ireo mpanao ratsy, ka hampihatra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ireny.  Koa misy antony tsy maintsy anekenareo fahefana àry, tsy noho izany fahatezerana izany ihany, fa noho ny feon’ny fieritreretanareo+ koa.  Izany koa no antony andoavanareo hetra, fa mpanompon’Andriamanitra+ miasa ho an’ny besinimaro izy ireo, ary manao izany foana.  Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra+ ho an’izay mitaky hetra, ny haba ho an’izay mitaky haba, ny tahotra ho an’izay tokony hatahorana,+ ny haja ho an’izay tokony hohajaina.+  Aoka tsy hisy trosan’olona any aminareo,+ afa-tsy ny fifankatiavanareo,+ fa izay tia ny mpiara-belona aminy dia efa manatanteraka ny lalàna.+  Fa ny fehezan-dalàna hoe: “Aza manitsakitsa-bady,+ aza mamono olona,+ aza mangalatra,+ aza mitsiriritra”,+ mbamin’izay didy hafa rehetra, dia efa voafintina amin’izao teny izao: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+ 10  Ny fitiavana+ tsy manisy ratsy ny namana,+ koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.+ 11  Eny, ataovy izany, satria fantatrareo izao fotoana misy antsika izao, fa efa tonga izao ny ora tokony hifohazanareo+ amin’ny torimaso. Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny fotoana nahatongavantsika ho mpino.+ 12  Efa ho lasa ny alina, ka efa manakaiky ny andro.+ Aoka àry isika hanaisotra ny asan’ny haizina,+ ka hitafy ny fitaovam-piadian’ny+ mazava. 13  Aoka isika hitondra tena tsara+ toy ny amin’ny andro, ka hifady ny lanonana feno filibana sy ny fibobohan-toaka,+ ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna sy ny fitondran-tena baranahiny,+ ary ny fifamaliana+ sy ny fialonana. 14  Tafio kosa ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo,+ ary aza manao tetika hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofo.+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.