Romanina 16:1-27

16  Ampahafantariko anareo i Foiby anabavintsika, izay mpanompo+ ao amin’ny fiangonana any Kenkrea,+  mba handraisanareo tsara+ azy ao amin’ny Tompo, araka izay mendrika handraisana ny olona masina, ary mba hanampianareo azy amin’izay ilany anareo.+ Fa izy koa dia mpiaro olona maro, eny, mpiaro ahy koa aza.  Mampamangy any amin’i Priska sy Akoila,+ mpiara-miasa amiko+ ao amin’i Kristy Jesosy.  Nanao vivery ny ainy+ hamonjena ahy* mantsy izy mivady ireo. Koa tsy izaho ihany no misaotra+ azy fa ny fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.  Ary mampamangy any amin’ny fiangonana ao an-tranon’izy+ mivady. Mampamangy any amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatra+ tany Azia ho an’i Kristy.  Mampamangy any amin’i Maria, izay nanao asa mafy maro ho anareo.  Mampamangy any amin’i Androniko sy Jonia, havako+ sy niara-nigadra tamiko,+ izay samy tsara laza eo amin’ny apostoly sady efa tafaray+ amin’i Kristy talohako.  Mampamangy+ any amin’i Ampliato, malalako ao amin’ny Tompo.  Mampamangy any amin’i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy, sy Staky malalako. 10  Mampamangy+ any amin’i Apela, ilay ankasitrahana ao amin’i Kristy. Mampamangy any amin’ireo anisan’ny ankohonan’i Aristobolo. 11  Mampamangy any amin’i Herodiona havako.+ Mampamangy any amin’ireo anisan’ny ankohonan’i Narsisy izay ao amin’ny Tompo.+ 12  Mampamangy any amin’i Tryfena sy Tryfosa, vehivavy miasa mafy ao amin’ny Tompo. Mampamangy any amin’i Persy anabavy malalantsika, fa nanao asa mafy maro tao amin’ny Tompo izy. 13  Mampamangy any amin’i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ny Tompo, sy any amin’ny reniny sady reniko. 14  Mampamangy any amin’i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ireo rahalahy miaraka amin’izy ireo. 15  Mampamangy any amin’i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa, ary ny olona masina rehetra miaraka amin’izy ireo.+ 16  Mifampiarahabà amin’ny oroka masina.+ Mampamangy anareo avokoa ireo fiangonan’i Kristy. 17  Mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba harahinareo maso ireo mahatonga fisaratsarahana+ sy fihemorana, fa mifanohitra amin’ny fampianarana+ efa noraisinareo izany. Halaviro ireny.+ 18  Fa tsy mpanompon’i Kristy Tompontsika ny olona toy ireny fa mpanompon’ny kibony+ ihany, ary teny malefaka+ sy teny fiderana+ no amitahany ny olona tso-po. 19  Efa tsikaritry ny rehetra anefa ny fankatoavanareo,+ ka faly noho ny aminareo aho. Tiako anefa ianareo ho hendry+ raha ny amin’izay tsara, fa ho tsy manan-tsiny+ kosa raha ny amin’izay ratsy.+ 20  Ary tsy ho ela ilay Andriamanitry ny fiadanana+ dia hanorotoro an’i Satana+ eo ambany tongotrareo. Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Tompontsika!+ 21  Mampamangy anareo i Timoty, mpiara-miasa amiko, ary koa ireo havako,+ dia i Losio sy Jasona ary Sosipatro. 22  Izaho, Tertio, izay nanao an-tsoratra ity taratasy ity, dia mampamangy anareo ao amin’ny Tompo. 23  Mampamangy anareo i Gaio,+ mpampiantrano ahy sy mpampiantrano ny fiangonana manontolo. Mampamangy anareo i Erasto, mpitantam-bolan’ny tanàna,+ sy Koarto rahalahiny. 24  —— 25  Afaka mahatonga anareo ho mafy orina Andriamanitra,+ araka ny vaovao tsara toriko sy ny fitoriana momba an’i Jesosy Kristy, izay mifanaraka amin’ny fampiharihariana an’ilay zava-miafina masina+ tsy naharihary mihitsy hatramin’ny ela be. 26  Naseho+ anefa ankehitriny io zava-miafina masina io, sady efa nampahafantarina teo amin’ny hafa firenena rehetra, tamin’ny alalan’izay voasoratry ny mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, mba hisian’ny fankatoavana avy amin’ny finoana.+ 27  Koa ho an’Andriamanitra, izay hany manam-pahendrena,+ anie ny voninahitra+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy,+ mandrakizay mandrakizay! Amena.

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.