Romanina 2:1-29

2  Koa na iza na iza ianao, ralehilahy,+ dia tsy afa-tsiny ianao raha mitsara.+ Fa izay zavatra itsaranao ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria ianao izay mitsara io+ dia mpanao izany koa.+  Fantatsika anefa fa manameloka an’izay mpanao izany zavatra izany ny fitsaran’Andriamanitra, izay fitsarana marina.+  Heverinao ve, ralehilahy,+ fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra+ ianao izay mitsara an’ireo mpanao izany zavatra izany, nefa ny tenanao mba manao ihany koa?  Sa hamavoinao ny harenan’ny hatsaram-panahiny+ sy ny fandeferany+ ary ny fahari-pony,+ satria tsy fantatrao fa mitarika anao hibebaka+ ny hatsaram-panahiny?  Fa noho ny kirinao+ sy ny fonao tsy mibebaka+ no anangonanao fahatezerana+ ho anao ho amin’ny andro fahatezerana+ sy fampiharihariana+ ny fitsarana marin’Andriamanitra.+  Ary hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy:+  Ho an’izay mitady voninahitra sy haja ary maniry ny tsy ho lo,+ ka maharitra manao ny tsara, dia fiainana mandrakizay;  ho an’ireo tia mifanditra+ sy tsy mankatò ny fahamarinana+ fa mankatò ny tsy fahamarinana kosa, dia fahavinirana sy fahatezerana,+  sy fahoriana ary fijaliana, eny, ho an’izay rehetra manao ratsy, eo amin’ny Jiosy+ aloha vao ny Grika koa;+ 10  ho an’izay rehetra manao ny tsara kosa, ho an’ny Jiosy aloha+ vao ny Grika+ koa, dia voninahitra sy haja ary fiadanana.+ 11  Fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.+ 12  Ho faty tsy manana lalàna, ohatra, izay rehetra nanota tsy nanana lalàna,+ fa hotsarain’ny lalàna kosa izay rehetra nanota teo ambanin’ny lalàna.+ 13  Ary tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò+ ny lalàna no hambara hoe marina.+ 14  Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena+ tsy manana lalàna,+ satria voajanahary aminy izany.+ Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. 15  Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna,+ ary ny feon’ny fieritreretany+ koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy+ na manala tsiny azy mihitsy aza. 16  Izany no hitranga amin’ny andro hitsaran’Andriamanitra ny zava-miafin’ny+ olombelona+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy,+ araka ny vaovao tsara toriko.+ 17  Jiosy+ ianao, ary mitoky amin’ny lalàna+ sady manao an’Andriamanitra ho reharehanao.+ 18  Ary fantatrao ny sitrapony+ ka ankasitrahanao izay tena tsara, satria ampianarina* ny Lalàna ianao.+ 19  Mino koa ianao fa ny tenanao dia mpitarika ny jamba,+ fahazavana ho an’izay ao amin’ny haizina,+ 20  mpananatra ny tsy misaina,+ mpampianatra ny zaza bodo,+ ary mahatakatra ny fototry*+ ny fahalalana sy ny fahamarinana+ ao amin’ny Lalàna. 21  Raha izany àry no izy, ianao izay mampianatra ny sasany io, mba mampianatra ny tenanao ve ianao?+ Ianao izay mitory hoe: “Aza mangalatra”,+ mangalatra ihany ve ianao?+ 22  Ianao izay milaza hoe: “Aza manitsakitsa-bady”,+ manitsakitsa-bady ihany ve ianao? Ianao izay mampiseho fankahalana ny sampy, mandroba+ tempoly ihany ve ianao? 23  Ianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, manala baraka an’Andriamanitra ihany ve ianao noho ianao mandika ny Lalàna?+ 24  Fa araka ny voasoratra, dia “tevatevaina eo amin’ny hafa firenena ny anaran’Andriamanitra, noho ny aminareo.”+ 25  Rehefa mitandrina ny lalàna ihany ianao vao mahasoa anao ny famorana.+ Fa raha mpandika lalàna kosa ianao, dia manjary tsy voafora+ indray ianao izay efa voafora+ io. 26  Koa raha mitandrina ny zavatra ara-drariny takin’ny Lalàna ny olona tsy mifora,+ tsy efa anisan’ny voafora ihany ve izy na dia tsy mifora aza?+ 27  Ary ny tsy mifora izay manatanteraka ny Lalàna, dia hanameloka anao+ izay mpandika lalàna na dia manana ny fehezan-dalàna an-tsoratra aza ianao sady voafora. 28  Fa tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray,+ ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy.+ 29  Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy,+ ary voafora fo+ izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra.+ Koa tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra, ny fiderana+ izany olona izany.+

Fanamarihana

Jereo Lk 1:4 f.a.p.
Na: “rafitry.”