Ho An’ny Romanina 3:1-31

  • “Ho hita fa marina Andriamanitra” (1-8)

  • Andevozin’ny ota na ny Jiosy na ny Grika (9-20)

  • Afaka ny ho lasa olo-marina izay manam-pinoana (21-31)

    • Tsy misy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra (23)

3  Inona àry no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona no soa azo amin’ny famorana? 2  Be dia be mihitsy. Voalohany indrindra, dia ny Jiosy no nanankinan’Andriamanitra ny teniny masina.+ 3  Dia ahoana àry raha misy Jiosy tsy ampy finoana? Midika ve izany hoe tsy azo atokisana intsony Andriamanitra? 4  Sanatria izany! Ho hita fa marina Andriamanitra+ na dia hita fa mpandainga aza ny olona rehetra,+ araka ny voasoratra hoe: “Mba ho hita fa manana ny marina ianao amin’izay lazainao, ary handresy rehefa misy mitsara.”+ 5  Raha ny ratsy ataontsika anefa no mampiseho hoe manao ny rariny Andriamanitra, dia inona no hotenenintsika? Hiteny ve isika hoe tsy rariny ny ataon’Andriamanitra rehefa mampihatra ny hatezerany izy?—Izany lazaiko izany no eritreretin’ny olona.— 6  Sanatria izany! Raha manao ny tsy rariny Andriamanitra, dia hataony ahoana no hitsara an’izao tontolo izao?+ 7  Raha ny laingako anefa no mampiseho hoe marina Andriamanitra ka lasa mahazo voninahitra izy, dia maninona aho no mbola tsaraina hoe mpanota ihany? 8  Koa tsy aleo àry ve miteny hoe: “Andao hanao ratsy mba hiavian’ny soa”? Endrikendrehin’ny olona hoe miteny an’izany mantsy isika. Rariny raha melohina ireny olona ireny.+ 9  Manana tombony àry ve isika raha oharina amin’ny hafa? Tsy izany mihitsy! Efa nohazavaintsika teo aloha hoe andevozin’ny ota daholo+ na ny Jiosy na ny Grika, 10  araka ny voasoratra hoe: “Tsy misy olo-marina, na iray aza.+ 11  Tsy misy olona lalin-tsaina, ary tsy misy olona mitady an’Andriamanitra. 12  Efa nivily nankany amin’ny lalan-diso daholo ny olona, ka samy tsy misy vidiny izy rehetra. Tsy mba misy mampiseho hoe tsara fanahy, na dia iray aza.”+ 13  “Fasana misokatra ny tendany, ary ny lelany no amitahany.”+ “Misy poizin’ny bibilava ao am-bavany.”*+ 14  “Feno ozona sy fankahalana ao am-bavany.”+ 15  “Maika handatsa-dra ny tongony.”+ 16  “Fandringanana sy fandravana no eny amin’ny lalany, 17  ary tsy fantany ny lalan’ny fiadanana.”+ 18  “Tsy hitan’izy ireo izay antony tokony hatahorana an’Andriamanitra.”+ 19  Fantatsika fa ny zava-drehetra lazain’ny Lalàna dia ho an’izay eo ambanin’ny Lalàna, mba ho tampina ny vavan’ny olona rehetra, ary ho mendrika ny hosazin’Andriamanitra izao tontolo izao.+ 20  Tsy misy olona* hambara ho marina eo anatrehan’Andriamanitra àry raha hoe mankatò lalàna fotsiny,*+ satria natao fotsiny hahafantarana tsara ny atao hoe ota ny lalàna.+ 21  Hita anefa izao fa afaka ny ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona, na dia tsy manaraka lalàna aza.+ Izany koa no lazain’ny Lalàna sy ny Mpaminany.+ 22  Tena afaka ny ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra izay rehetra manam-pinoana an’i Jesosy Kristy. Mitovy daholo mantsy ny olona.+ 23  Fa samy efa nanota ny olona rehetra ka tsy mahatratra* ny voninahitr’Andriamanitra.+ 24  Fanomezana maimaim-poana+ ilay hoe nambara hoe olo-marina izy ireo noho ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra.+ Ary nampiseho an’izany hatsaram-panahy izany Andriamanitra rehefa nanome ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy mba hanafahana azy ireo.+ 25  Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana*+ i Kristy, mba hihavana aminy izay mino ny rany.+ Nanao an’izany Andriamanitra mba hampisehoana hoe marina Izy, satria be fandeferana Izy ka namela ny fahotana natao tamin’ny lasa. 26  Nanao an’izany koa Izy mba hampisehoana hoe marina Izy+ ankehitriny. Amin’izay dia ho marina Izy rehefa manambara hoe olo-marina izay mino an’i Jesosy.+ 27  Misy antony ireharehana àry ve? Tsy misy. Fa inona ny lalàna azo ireharehana? Ilay lalàna manasongadina hoe izay atao no zava-dehibe ve?+ Tsy izany mihitsy fa ilay lalàna hoe tena ilaina ny finoana. 28  Mihevitra mantsy isika fa izay manam-pinoana no ambara ho marina, fa tsy izay manao zavatra mifanaraka amin’ny lalàna.+ 29  Angaha izy Andriamanitry ny Jiosy ihany?+ Angaha izy tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa?+ Eny, an’ny hafa firenena koa.+ 30  Iray ihany Andriamanitra,+ ka izay voafora dia hambarany hoe olo-marina satria manam-pinoana,+ ary izay tsy voafora koa dia mbola hambarany hoe olo-marina+ satria manam-pinoana. 31  Foanantsika amin’ny finoantsika àry ve ny lalàna? Sanatria izany! Vao mainka aza tohanantsika izy io.+

Fanamarihana

Abt: “ao ambadiky ny molony.”
Abt: “nofo.”
Na: “manao zavatra ho fankatoavana ny lalàna.”
Na: “tsy manome taratra.”
Na: “fandrakofam-pahotana.”