Romanina 4:1-25

4  Raha izany àry, inona no holazaintsika momba an’i Abrahama, razantsika+ ara-nofo?  Raha nambara fa marina noho izay nataony izy,+ ohatra, dia ho nanana antony nireharehana, saingy tsy afaka nirehareha teo imason’Andriamanitra izy.  Fa inona no voalaza ao amin’ny Soratra Masina? “I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka nekena ho isan’ny olo-marina izy.”+  Ho an’izay miasa,+ dia tsy mba hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ny karama,+ fa trosa aloa aminy.+  Etsy an-danin’izany, ho an’izay tsy manao asa nefa mino+ kosa, dia raisina ho fahamarinany ny finoany an’ilay manambara ny ratsy fanahy ho marina.+  I Davida koa nilaza fa sambatra izay olona heverin’Andriamanitra ho marina na dia tsy vokatry ny zavatra nataony aza. Hoy izy:  “Sambatra izay voavela ny helony,+ ary voasarona ny fahotany.+  Sambatra ny olona izay tsy hisain’i Jehovah mihitsy ny fahotany.”+  Ho an’ny voafora ihany àry ve izany fahasambarana izany sa ho an’ny tsy mifora koa?+ Hoy mantsy isika: “Nekena ho isan’ny olo-marina i Abrahama noho ny finoany.”+ 10  Ahoana àry no nisehoan’izany? Fony izy efa voafora sa fony izy mbola tsy voafora?+ Tsy fony izy efa voafora, fa fony izy mbola tsy voafora. 11  Ary nahazo famantarana+ izy, dia ny famorana, ho tombo-kasen’ny fahamarinana noho ny finoana nananany fony izy mbola tsy voafora. Eny, nahazo ilay famantarana izy mba hahatongavany ho rain’izay+ rehetra manam-pinoana+ nefa tsy voafora, ka hanekena an’ireny ho isan’ny olo-marina, 12  ary mba hahatongavany ho rain’ny taranaka voafora, izany hoe tsy ireo mifikitra amin’ny famorana ihany, fa ireo mitondra tena tsara mifanaraka amin’ny finoana nananan’i Abrahama raintsika+ koa, fony izy mbola tsy voafora. 13  Ary tsy ny lalàna, fa ny fahamarinana noho ny finoana,+ no nahazoan’i Abrahama na ilay taranany ny fampanantenana+ handova tontolo iray. 14  Fa raha izay mifikitra amin’ny lalàna no mpandova, dia ho efa natao tsinontsinona ny finoana, ary ho efa nofoanana ny fampanantenana.+ 15  Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra tokoa mantsy ny Lalàna.+ Fa rehefa tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.+ 16  Koa noho ny finoana no nahazoany ilay fampanantenana, araka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa,+ mba ho azo antoka ilay fampanantenana+ ho an’ny taranany manontolo,+ izany hoe tsy ireo mifikitra amin’ny Lalàna ihany, fa ireo mifikitra amin’ny finoan’i Abrahama koa. Ary raintsika+ rehetra izy, 17  araka ny voasoratra hoe: “Notendreko ho rain’ny firenena maro ianao.”+ Izany dia teo anatrehan’Ilay ninoany, dia Andriamanitra izay mamelona ny maty+ ary miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy.+ 18  Nanantena i Abrahama, na dia toa tsy nisy azony nantenaina intsony aza, ka nino+ fa mety ho tonga rain’ny firenena maro izy,+ araka izay voalaza hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.”+ 19  Ary na dia tsy nihanalemy aza ny finoany, dia noeritreretiny ihany ny vatany izay toy ny efa maty,+ satria efa zato taona+ teo ho eo. Noeritreretiny koa ny kibon’i Saraha, izay kibo efa maty.+ 20  Efa nampanantena+ anefa Andriamanitra, ka tsy nisalasala noho ny tsy finoana+ i Abrahama, fa nanjary nahazo hery kosa noho ny finoany.+ Koa nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, 21  ary niaiky tanteraka fa hain’Andriamanitra tanterahina izay nampanantenainy.+ 22  Koa “nekena ho isan’ny olo-marina izy.”+ 23  Tsy ho azy ihany anefa no nanoratana+ hoe: “Nekena ho isan’ny+ olo-marina izy”, 24  fa ho antsika koa. Eny, natao ho antsika koa izany, satria mino an’ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty+ isika. 25  Fa natolotra ho faty noho ny helotsika izy,+ ary natsangana tamin’ny maty mba hanambarana fa marina isika.+

Fanamarihana