Romanina 6:1-23

6  Koa inona àry no holazaintsika? Hanota foana ve isika mba hitomboan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa?+  Sanatria izany! Koa satria efa maty isika raha ny amin’ny ota,+ ahoana no mbola hahavelona antsika amin’ny ota ihany?+  Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy,+ dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?+  Koa niara-nalevina taminy+ isika rehefa natao batisa ho amin’ny fahafatesany, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny alalan’ny voninahitry ny Ray,+ no handehanantsika koa ao amin’ny fiainam-baovao.+  Fa raha lasa tafaray amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesana+ toy ny azy isika, dia azo antoka fa ho tafaray aminy koa ao amin’ny fitsanganana toy ny azy.+  Fantatsika mantsy fa niara-nofantsihana taminy ny toetrantsika taloha,+ mba tsy ho afa-manao na inona na inona ny vatantsika feno ota.+ Amin’izay dia tsy ho mpanompon’ny ota intsony isika.+  Ary izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.+  Ankoatra izany, raha miara-maty amin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa.+  Fantatsika mantsy fa tsy ho faty intsony i Kristy+ amin’izao izy efa natsangana tamin’ny maty izao,+ eny, tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana. 10  Raha ny amin’ny fahafatesana nanjo azy, dia maty indray mandeha monja izy mba hanesorana ny ota.+ Fa raha ny amin’ny fiainana iainany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra+ izy. 11  Toy izany koa ianareo: Hevero ho efa maty tokoa ny tenanareo+ raha ny amin’ny ota, fa velona+ ho an’Andriamanitra kosa, noho i Kristy Jesosy. 12  Koa aza mamela ny ota hanjaka+ foana eo amin’ny vatanareo mety maty, mba tsy hanarahanareo ny filan’ny vatanareo.+ 13  Ary aoka ny vatanareo tsy hatolotrareo ho an’ny ota+ ho fitaovam-piadian’ny tsy fahamarinana.+ Fa atolory ho an’Andriamanitra kosa ny tenanareo izay toy ny efa maty fa velona ankehitriny,+ eny, atolory azy ny vatanareo ho fitaovam-piadian’ny+ fahamarinana. 14  Koa aza avela hanjaka eo aminareo ny ota, satria tsy ambanin’ny lalàna ianareo+ fa nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.+ 15  Koa ahoana àry? Hanota ve isika satria tsy ambanin’ny lalàna+ fa nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa?+ Sanatria izany! 16  Tsy fantatrareo angaha fa raha manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray ianareo ka mankatò azy, dia lasa mpanompony satria mankatò azy,+ izany hoe, na mpanompon’ny ota+ izay mitarika ho amin’ny fahafatesana,+ na mpanompon’ny fankatoavana+ izay mitarika ho amin’ny fahamarinana?+ 17  Isaorana anefa Andriamanitra fa na mpanompon’ny ota aza ianareo taloha, dia tonga mpankatò amin’ny fonareo, eny, mpankatò ilay karazam-pampianarana nankinina taminareo.+ 18  Koa tonga mpanompon’ny+ fahamarinana ianareo, satria novotsorana ho afaka+ tamin’ny ota.+ 19  Mampiasa teny azon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo:+ Nanolotra ny vatanareo+ ho mpanompon’ny fahalotoana+ sy ny fandikan-dalàna mantsy ianareo taloha mba handikana lalàna, koa atolory toy izany koa ny vatanareo ankehitriny ho mpanompon’ny fahamarinana mba hahazoana fahamasinana.+ 20  Fa fony mpanompon’ny ota+ ianareo, dia tsy nofehezin’ny fahamarinana. 21  Vokatra+ inona àry no azonareo tamin’izany fotoana izany? Vokatra+ mahamenatra anareo ankehitriny, fa fahafatesana no hiafarany.+ 22  Koa satria efa novotsorana ho afaka tamin’ny fahotana ianareo ka tonga mpanompon’Andriamanitra+ ankehitriny, dia ny fahamasinanareo no vokatra+ azonareo, ary amin’ny farany dia fiainana mandrakizay.+ 23  Fa fahafatesana no tambin’ny ota,+ ary fiainana mandrakizay+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika+ kosa no fanomezana+ omen’Andriamanitra.

Fanamarihana