Ho An’ny Romanina 7:1-25

  • Nafahana tamin’ny Lalàna (1-6)

  • Ny Lalàna no nahafantarana ny ota (7-12)

  • Ady amin’ny ota (13-25)

7  Ry rahalahy, angaha tsy fantatrareo fa fehezin’ny Lalàna ny olona raha mbola velona?—Ianareo mahafantatra ny lalàna no iresahako.— 2  Voafatotry ny lalàna hikambana amin’ny vadiny, ohatra, ny vehivavy, raha mbola velona ny vadiny. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin’ny lalàn’ny vadiny izy.+ 3  Raha mbola velona àry ny vadiny, dia holazaina hoe mpanitsakitsa-bady ilay vehivavy raha lasa vadin’olon-kafa.+ Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin’ny lalàn’ny vadiny ilay vehivavy, ka tsy mpanitsakitsa-bady raha lasa vadin’olon-kafa.+ 4  Hoatr’izany koa ianareo, ry rahalahiko: Nafahana tamin’ny Lalàna ianareo,* tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy, mba ho lasa vadin’olon-kafa,+ izany hoe vadin’ilay natsangana tamin’ny maty,+ dia amin’izay isika hamokatra voa tsara ho an’Andriamanitra.+ 5  Tamin’isika nanatanteraka ny fanirian’ny nofo, dia niasa tao amin’ny vatantsika* ny faniriana hanota, mba hahatonga antsika hanao zavatra* miteraka fahafatesana.+ Ny Lalàna no nanaitra an’izany fanirian-dratsy izany tao amintsika. 6  Nafahana anefa isika izao ka tsy mamatotra antsika intsony ny Lalàna,+ satria efa maty isika raha ny amin’ny Lalàna. Nafahana isika mba hanompo an’Andriamanitra, ka manaiky hotarihin’ny fanahy isika amin’izao,+ fa tsy manaraka an’ilay lalàna voasoratra hoatran’ny taloha intsony.+ 7  Inona àry no holazaintsika? Ota ve ny Lalàna? Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota anefa aho raha tsy teo ny Lalàna.+ Tsy ho fantatro, ohatra, ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: “Aza mitsiriritra.”+ 8  Noho io didy io anefa, dia lasa nahita hirika ny ota ka nampitsiry an’izao karazana fitsiriritana rehetra izao tato anatiko. Fa maty ny ota raha tsy misy lalàna.+ 9  Raha ny marina, dia velona tsy nanan-dalàna aho taloha. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.+ 10  Ary ny didy izay tokony hoe hahazoana fiainana,+ dia hay nitarika ho amin’ny fahafatesana. 11  Fa noho ny didy koa, dia lasa nahita hirika ny ota ka namitaka ahy ary namono ahy. 12  Masina anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady ara-drariny no tsara.+ 13  Koa zavatra tsara àry ve no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy. Zavatra tsara no nampiasain’ny ota hamonoana ahy,+ mba hampisehoana ny atao hoe ota. Dia amin’izay ny didy no vao mainka hampiseho hoe tena ratsy ny ota.+ 14  Fantatsika mantsy fa avy amin’Andriamanitra ny Lalàna. Izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota.+ 15  Fa tsy azoko hoe inona àry izao ataoko izao. Tsy izay tiako hatao mantsy no ataoko, fa izay halako. 16  Raha manao izay tsy tiako hatao anefa aho, dia midika izany hoe ekeko fa tsara ny Lalàna. 17  Tsy izaho intsony anefa no manao an’izany, fa ny ota ato anatiko.+ 18  Fantatro mantsy fa tsy misy zavatra tsara ato anatiko, izany hoe ato amin’ny nofoko. Fa mba maniry hanao ny tsara ihany aho, saingy tsy vitako ny manatanteraka an’izany.+ 19  Tsy ny tsara izay tiako hatao mantsy no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako hatao no ataoko fanao. 20  Raha izay tsy tiako hatao àry no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao an’izany, fa ny ota ato anatiko. 21  Izao lalàna izao àry no tsapako ato anatiko ato: Rehefa te hanao ny tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.+ 22  Raha ny tsapako ato am-poko ato, dia tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra.+ 23  Misy lalàna hafa miady amin’ny lalàna mifehy ny saiko+ anefa ao amin’ny vatako* ao, sady mitarika ahy ho babon’ny lalàn’ny ota+ ao amin’ny vatako.* 24  Indrisy! Tena mampalahelo aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana mitarika ahy any amin’ny fahafatesana ity? 25  Hisaorana anie Andriamanitra, fa izy no hamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra àry aho ato an-tsaiko ato, fa mpanompon’ny lalàn’ny ota+ kosa ny nofoko.

Fanamarihana

Abt: “Maty ianareo raha ny amin’ny Lalàna.”
Abt: “rantsambatantsika.”
Na: “mba hamokarantsika voa.”
Abt: “rantsambatako.”
Abt: “rantsambatako.”