Romanina 9:1-33

9  Milaza ny marina+ ao amin’i Kristy aho. Tsy mandainga aho,+ satria na ny feon’ny fieritreretako na ny tenako dia samy vavolombelona araka ny fanahy masina,  fa malahelo mafy sy ory foana aho ato am-poko+ ato.  Fa iriko raha izaho no ho tafasaraka amin’i Kristy ka ho voaozona ho solon’ireo rahalahiko,+ eny, ireo havako araka ny nofo,+  dia ny Israelita.+ Izy ireo no natsangana ho zanaka,+ sy nomena voninahitra,+ nanaovana ny fifanekena,+ ary nomena ny Lalàna+ sy ny fanompoana masina+ ary ny fampanantenana.+  Izy ireo koa no taranak’ireo razambe,+ ary avy amin’izy ireo no nipoiran’i Kristy araka ny nofo.+ Hisaorana mandrakizay anie Andriamanitra,+ izay ambonin’ny rehetra! Amena.  Tsy toy ny hoe foana anefa ny tenin’Andriamanitra.+ Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena “Israely.”+  Ary tsy hoe zanaka avokoa izy ireo na dia taranak’i Abrahama aza,+ fa voasoratra hoe: “Amin’ny alalan’i Isaka no hiavian’ilay hantsoina hoe ‘taranakao.’”+  Izany hoe, tsy ny zanaka ao amin’ny nofo+ no tena zanak’Andriamanitra,+ fa ny zanaky ny fampanantenana+ no heverina ho taranaka.  Fa toy izao ilay teny fampanantenana: “Ho avy aho amin’ny herintaona toy izao, ary hanan-janakalahy i Saraha.”+ 10  Tsy tamin’izay ihany anefa ilay fampanantenana fa tamin’i Rebeka niteraka kambana+ tamin’ny lehilahy iray koa, izay tsy iza fa i Isaka razantsika: 11  Fa fony mbola tsy teraka ireo kambana ary mbola tsy nanao tsara na ratsy,+—mba hiankina mandrakariva amin’Ilay miantso,+ fa tsy amin’izay ataon’ny olona, ny fikasan’Andriamanitra momba ny fifidianana azy ireo,— 12  dia izao no nolazaina tamin’i Rebeka: “Ny zokiny hanompo ny zandriny”,+ 13  araka ny voasoratra hoe: “Tiako i Jakoba, fa i Esao kosa halako.”+ 14  Inona àry no holazaintsika? Misy tsy rariny ve amin’Andriamanitra?+ Sanatria izany! 15  Fa hoy izy tamin’i Mosesy: “Hamindra fo amin’izay hamindrako fo aho, ary hangoraka an’izay hangorahako.”+ 16  Koa tsy miankina amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka àry izany, fa miankina kosa amin’Andriamanitra+ izay mamindra fo.+ 17  Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+ 18  Koa izay tiany hamindrana fo àry no amindrany fo,+ ary izay tiany havela ho mafy hatoka no avelany ho mafy hatoka.+ 19  Hilaza amiko àry ianao hoe: “Nahoana izy no mbola manome tsiny ihany? Fa iza no nahatohitra ny sitrapony voambara mazava?”+ 20  Fa iza tokoa moa ianao, ralehilahy,+ no hamalivaly an’Andriamanitra?+ Izay novolavolaina ve hilaza amin’ilay namolavola azy hoe: “Nahoana ianao no nanao ahy toy izao?”+ 21  Fa ny mpanefy tanimanga+ angaha moa tsy manana fahefana amin’ny tanimanga, ka vongan-tanimanga iray ihany no hanaovany zavatra iray hohajaina ary iray tsy hohajaina?+ 22  Ahoana raha toa Andriamanitra ka nandefitra sy be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika haringana, na dia te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza izy?+ 23  Ahoana raha nanao izany izy mba hampahafantarany ny harenan’ny+ voninahiny amin’ny fanaky+ ny famindram-po, izay nomaniny mialoha hahazo voninahitra,+ 24  dia isika izay nantsoiny, tsy avy tamin’ny Jiosy ihany, fa avy tamin’ny hafa firenena+ koa? 25  Izany dia araka ny nolazainy koa ao amin’ny bokin’i Hosea hoe: “Izay tsy oloko+ no hantsoiko hoe ‘oloko’, ary ilay tsy malala no hantsoiko hoe ‘malala’,+ 26  ary any amin’izay nilazana tamin’izy ireo hoe: ‘Tsy oloko ianareo’, no hiantsoana azy ireo hoe: ‘Zanak’ilay Andriamanitra velona.’”+ 27  Tsy izay ihany fa izao koa no antsoantson’i Isaia momba ny Israely: “Na dia mety ho toy ny fasika any an-dranomasina+ aza ny isan’ny zanak’Israely, dia ny sisa tavela no hovonjena.+ 28  Fa i Jehovah dia hanao ampamoaka ny velona eto an-tany, ka hamita izany haingana.”+ 29  Araka ny nambaran’i Isaia mialoha koa hoe: “Raha tsy i Jehovah Tompon’ny tafika+ no namela taranaka ho antsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sodoma isika, ary ho efa natao tahaka an’i Gomora.”+ 30  Inona àry no holazaintsika? Fa na tsy nikatsaka ny fahamarinana aza ny hafa firenena, dia nahatratra ny fahamarinana,+ izany hoe ilay fahamarinana avy amin’ny finoana.+ 31  Fa ny Israely kosa, na nikatsaka lalàn’ny fahamarinana aza, dia tsy nahatanteraka ny lalàna.+ 32  Fa nahoana? Satria tsy tamin’ny finoana no nikatsahany azy, fa tamin’izay nataony.+ Tafintohina izy ireo noho ilay “vato mahatafintohina”,+ 33  araka ny voasoratra hoe: “Mametraka vato+ mahatafintohina sy vatolampy mahalavo+ ao Ziona aho, nefa tsy ho diso fanantenana izay mino azy io.”+

Fanamarihana