Rota 1:1-22

1  Tamin’ny andro nitondran’ny mpitsara,+ dia nisy mosary+ teo amin’ilay tany. Koa niala tany Betlehema+ any Joda ny lehilahy iray mba honina tany ambanivohitr’i Moaba,+ niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.  Elimeleka no anaran-dralehilahy, Naomy no anaran’ny vadiny, ary Malona sy Kiliona no anaran’ny zanany roa lahy. Efratita+ avy any Betlehema any Joda ry zareo, ary tonga tany ambanivohitr’i Moaba, ka nitoetra tany.  Rehefa afaka elaela, dia maty i Elimeleka vadin’i Naomy. Koa ravehivavy sy ny zanany roa lahy sisa no tavela.  Tatỳ aoriana izy roa lahy dia nanambady vehivavy moabita.+ Orpa no anaran’ny iray, ary Rota+ no anaran’ny iray. Ary mbola nonina tany folo taona teo ho eo ry zareo.  Maty koa anefa izy roa lahy, dia i Malona sy Kiliona, rehefa afaka elaela. Koa i Naomy sisa no tavela, fa tsy teo intsony na ny vadiny na ny zanany roa lahy.  Ary niainga avy tany ambanivohitr’i Moaba izy sy ireo vinantovaviny, mba handeha hody. Henony tany mantsy fa nitsinjo ny olony+ sy nanome azy hanina+ i Jehovah.  Dia niala tao amin’ilay toerana nisy azy izy,+ niaraka taminy ny vinantony roa vavy. Koa rehefa teny an-dalana hody tany amin’ny tanin’i Joda ry zareo,  dia hoy i Naomy tamin’izy roa vavy: “Samia mody any an-tranon’ny reninareo avy ianareo. Ary i Jehovah anie haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminareo,+ toy ny nasehonareo tamin’ireo maty sy tamiko!+  I Jehovah anie hanao fanomezana+ ho anareo, ka samy hahita fiadanana+ any amin’ny tranon’izay ho vadinareo avy ianareo!” Dia nanoroka+ azy roa vavy izy. Koa nitomany mafy izy ireo, 10  sady namerimberina hoe: “Tsia, fa hiara-mody aminao any amin’ny firenenao izahay.”+ 11  Fa hoy i Naomy: “Miverena, anaka! Nahoana ianareo no hiaraka amiko? Mbola misy zanakalahy mety ho lasa vadinareo angaha ato an-kiboko?+ 12  Miverena, anaka! Mandehana fa efa antitra loatra aho ka tsy hahazo vady intsony. Ary na hilaza aza aho hoe mbola manantena ny hisy haka vady anio alina, ka hitera-dahy tokoa,+ 13  dia hahandry azy mandra-pahalehibeny ve ianareo? Hanokan-tena tsy hanambady ve ianareo hiandrasana azy ireo? Tsia, anaka, fa mangidy amiko ny namelezan’i Jehovah ahy,+ rehefa mieritreritra ny manjo anareo aho.” 14  Koa vao mainka nitomany mafy izy roa. Dia nanoroka ny rafozambaviny i Orpa avy eo, fa i Rota kosa nifikitra taminy.+ 15  Koa hoy i Naomy: “Jereo fa lasa nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny+ ny rahavavinao maty vady. Modia miaraka aminy koa.”+ 16  Fa hoy i Rota: “Aza manery ahy handao anao sy hisaraka aminao, fa izay alehanao no halehako, ary izay atorianao no hatoriako.+ Ny firenenao no ho fireneko,+ ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.+ 17  Izay toerana ahafatesanao no hahafatesako,+ ary any no hilevenako. Hofaizin’i Jehovah anie aho,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!” 18  Rehefa hitany anefa fa nisisika hiaraka taminy+ ihany i Rota, dia tsy niteny intsony izy. 19  Dia nanohy ny diany mandra-pahatonga tany Betlehema+ izy mianaka. Ary nisomaritaka ny iray tanàna+ raha vao nahita azy ireo tonga tany, ka hoy ireo vehivavy tao an-tanàna: “I Naomy ve io?”+ 20  Dia hoy izy tamin’ireo: “Aza miantso ahy hoe Naomy, fa antsoy hoe Mara aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.+ 21  Nanam-be aho fony niala teto,+ nefa nampody ahy tanam-polo i Jehovah.+ Nahoana ianareo no miantso ahy hoe Naomy nefa i Jehovah no efa nampietry ahy,+ ary ilay Mahery Indrindra no efa nahatonga loza tamiko?”+ 22  Toy izany no nodian’i Naomy. Ary niaraka taminy i Rota Moabita vinantovaviny, rehefa nody avy tany ambanivohitr’i Moaba+ izy. Ary tonga tany Betlehema+ izy mianaka tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary orza.+

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataon’i Jehovah amiko anie izany!”