Rota 3:1-18

3  Ary hoy i Naomy rafozambaviny taminy: “Tsy tokony hitady tokantrano hiadananao+ ve aho, anaka, mba hampety tsara ny fiainanao?  Tsy havantsika moa i Boaza,+ ilay tompon’ireo tovovavy niarahanao? Hikororoka+ vary orza eny am-pamoloana izy anio alina.  Koa mandroa ary hosory menaka ny tenanao,+ dia anaovy ny akanjonao ivelany+ ka midìna eny am-pamoloana. Aza atao fantany ianao raha tsy efa avy mihinana sy misotro izy.  Rehefa hatory izy, dia fantaro izay toerana hatoriany ka mankanesa eny, ary esory ny lamba mandrakotra ny tongony. Dia matoria eo, fa izy no hilaza aminao izay tokony hataonao.”  Dia hoy i Rota: “Hataoko daholo izay lazainao amiko.”  Koa nidina teny am-pamoloana izy, ka nanao araka izay rehetra nasain’ny rafozambaviny nataony.  Nihinana sy nisotro i Boaza tamin’izay, ka faly ny fony.+ Dia nandeha natory teny an-tsisin’ny antontam-bary izy. Ary nitsaitsaika i Rota, ka nesoriny ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza. Dia natory teo izy.  Rehefa nisasaka anefa ny alina, dia nangovitra ralehilahy. Koa niarina nipetraka izy, kanjo vehivavy natory teo an-tongony no hitany!  Dia hoy izy: “Fa iza ianao?” Ary hoy ravehivavy: “I Rota mpanompovavinao ihany ity! Mba rakofy amin’ny morontongotr’akanjonao ny mpanompovavinao, satria mpanavotra+ ianao.” 10  Dia hoy i Boaza: “Hotahin’i Jehovah anie ianao,+ anaka! Fa tsara kokoa noho ilay tamin’ny voalohany+ izao fomba anehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana+ izao, satria ianao tsy nanaraka ny tovolahy, na mahantra izy na manankarena. 11  Izao àry, anaka: Aza matahotra, fa hataoko aminao daholo izay lazainao.+ Fantatr’izay rehetra eo am-bavahadin’ny fireneko mantsy fa tena vehivavy tsara+ tokoa ianao. 12  Marina aloha fa mpanavotra+ tokoa aho, kanefa mbola misy mpanavotra akaiky kokoa noho izaho.+ 13  Koa mijanòna eto anio alina. Ary amin’ny maraina, raha hanavotra+ anao izy, dia tsara izany! Aoka izy no hanavotra. Raha tsy te hanavotra anao izy, dia izaho no hanavotra anao, raha mbola velona koa i Jehovah.+ Fa matoria ihany aloha mandra-paharainan’ny andro.” 14  Dia natory teo an-tongony izy mandra-paharainan’ny andro. Ary niarina izy raha mbola maizimaizina tsy ahafantarana olona. Ary hoy ralehilahy: “Aoka tsy hisy hahalala hoe nisy vehivavy tonga teto am-pamoloana.”+ 15  Hoy koa izy: “Ento atỳ iny akanjo ivelany eny aminao iny, ka hazòny hivelatra.” Dia nataon’i Rota izany. Koa namatra vary orza inenin’ny famarana i Boaza, ka nampilolohaviny an’i Rota. Ary lasa nankany an-tanàna i Boaza nony avy eo. 16  I Rota kosa lasa nankany amin’ny rafozambaviny. Ary hoy io taminy: “Iza ianao, anaka?” Dia nolazain’i Rota taminy avokoa izay nataon-dralehilahy ho azy. 17  Hoy koa izy: “Ireto vary orza inenin’ny famarana ireto no nomeny ahy, fa hoy izy tamiko: ‘Aza mitondra tanam-polo any amin’ny rafozambavinao.’”+ 18  Dia hoy i Naomy: “Mijanòna amin’izay, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha, fa tsy hipetrapetraka mihitsy ralehilahy raha tsy voalaminy anio ihany io raharaha io.”+

Fanamarihana