Rota 4:1-22

4  Ary niakatra ho eny am-bavahady+ i Boaza, ka nipetraka teny. Dia nandalo ilay mpanavotra voalazany,+ ka hoy izy: “Ô ry ingahy a! Mba mivilia re hipetrapetraka eto e!” Koa nivily io ary nipetraka.  Ary naka folo lahy tamin’ny anti-panahin’ny+ tanàna i Boaza, ka nilaza hoe: “Mipetrapetraha eto.” Dia nipetraka ireo.  Ary hoy izy tamin’ilay mpanavotra:+ “Ilay zaran-tanin’i Elimeleka+ rahalahintsika dia tsy maintsy amidin’i Naomy, izay nody avy tany ambanivohitr’i Moaba.+  Koa nieritreritra aho hoe tokony hilaza izany aminao, ka hiteny hoe: ‘Vidio+ eto anatrehan’ny mponina sy ny anti-panahin’ny fireneko+ ilay izy. Raha hanavotra azy ianao, dia avoty. Fa raha tsy hanavotra kosa ianao, dia mba ilazao aho. Tsy misy olon-kafa tokony hanavotra+ azy io mantsy afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao.’” Dia hoy ilay olona: “Izaho no hanavotra azy.”+  Ary hoy i Boaza: “Amin’ny andro hividiananao ilay saha amin’i Naomy, dia tsy maintsy mividy azy io amin’i Rota Moabita vadin’ny maty koa ianao, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.”+  Koa hoy ilay mpanavotra: “Tsy afaka manavotra an’io ho an’ny tenako aho raha izany, sao ho simba ny lovako. Avoty ho anao ilay izy ka ny zoko hanavotra no hanavotanao azy, fa izaho tsy afaka manavotra.”  Izao no fanao taloha teo amin’ny Israely momba ny zo hanavotra sy ny takalo, mba hahamafy orina ny zava-drehetra: Tsy maintsy manala ny kapany+ ny lehilahy iray ka manome izany ho an’ilay namany. Izany no fomba fanamarinana fifanarahana teo amin’ny Israely.  Koa nanala kapa+ ilay mpanavotra, ka nilaza tamin’i Boaza hoe: “Vidio ho anao ilay izy.”  Dia hoy i Boaza tamin’ny anti-panahy sy ny olona rehetra: “Ianareo no vavolombelona+ androany fa tena hovidiko amin’i Naomy daholo izay an’i Elimeleka sy izay an’i Kiliona sy Malona. 10  Hovidiko ho vadiko koa i Rota Moabita vadin’i Malona mba hamelo-maso ny anaran’ny maty+ eo amin’ny lovany. Amin’izay dia tsy ho foana eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny tanànany ny anaran’ny maty. Ianareo no vavolombelona+ androany.” 11  Dia hoy ny olona rehetra teo am-bavahady sy ny anti-panahy: “Eny, vavolombelona izahay! Hataon’i Jehovah tahaka an’i Rahely+ sy Lea+ anie ilay vady ho tonga ao an-tranonao, eny, tahaka azy roa vavy izay niavian’ny taranak’Israely!+ Hahazo voninahitra anie ianao eto Efrata,+ ary halaza anie ny anaranao eto Betlehema!+ 12  Ho tahaka ny taranak’i Pereza, izay naterak’i Tamara tamin’i Joda,+ anie ny taranakao avy amin’ny zanaka homen’i Jehovah anao avy amin’io tovovavy io!”+ 13  Koa nalain’i Boaza ho vadiny i Rota. Ary nanao firaisana taminy izy. Dia nataon’i Jehovah nanana anaka+ ravehivavy ka tera-dahy. 14  Ary hoy ireo vehivavy+ tamin’i Naomy: “Hisaorana anie i Jehovah+ fa tsy navelany tsy hanana mpanavotra ianao ankehitriny, mba hambara eo amin’ny Israely ny anarany! 15  Ary ho mpamelombelona ny ainao sy hamelona anao amin’izao fahanteranao+ izao izy, satria naterak’ilay vinantovavinao tena tia anao,+ izay tsara kokoa taminao noho ny zanaka fito lahy.”+ 16  Dia noraisin’i Naomy ilay zaza ka nofihininy teo an-tratrany, ary lasa mpitaiza azy izy. 17  Ary nanome anarana an’ilay zaza ireo vehivavy mpiara-monina taminy,+ sady nanao hoe: “Zazalahy no teraka ho an’i Naomy.” Koa nataon’izy ireo hoe Obeda+ ny anarany. Izy no rain’i Jese,+ rain’i Davida. 18  Ireto avy ny taranak’i Pereza:+ I Pereza niteraka an’i Hezrona;+ 19  Hezrona niteraka an’i Rama; Rama+ niteraka an’i Aminadaba; 20  Aminadaba+ niteraka an’i Nasona;+ Nasona niteraka an’i Salmona; 21  Salmona+ niteraka an’i Boaza; Boaza+ niteraka an’i Obeda; 22  Obeda niteraka an’i Jese;+ ary Jese niteraka an’i Davida.+

Fanamarihana