Salamo 10:1-18
ל [Lameda]
10 Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah ô?
Nahoana no miafina ianao amin’ny fotoam-pahoriana?+
2 Manambony tena ny ratsy fanahy ka enjehiny ny tsy misy mpiaro.+Ho voafandriky ny tetika nataony anefa izy.+
3 Fa mirehareha momba ny faniriany feno fitiavan-tena ny ratsy fanahy,+Ary mitso-drano an’ilay* tsy mety afa-po;נ [Nona]Maniratsira an’i Jehovah izy.
4 Miavonavona ny ratsy fanahy ka tsy mba manadihady;Izao ihany no ao an-tsainy: “Tsy misy izany Andriamanitra izany.”+
5 Mahomby foana izay ataony,+Nefa tsy takatry ny sainy ny didim-pitsaranao.+Esoesoiny* daholo ny fahavalony.
6 Hoy izy any am-pony any: “Tsy mba hangozohozo* aho.Tsy hisy loza hanjo ahy mihitsy,+Hatrany amin’ny taranako fara aman-dimby.”
פ [Pe]
7 Feno ozona sy lainga ary fandrahonana ao am-bavany;+Fampahoriana sy fampijaliana no ao ambany lelany.+
8 Miafina mba hanafika eny akaikin’ny tanàna kely izy;Avy ao amin’ny toeram-piafenany izy no mamono ny tsy manan-tsiny.+
ע [Aina]
Mitilitily an’izay olona azony asiana izy.+
9 Mamitsaka ao amin’ny toeram-piafenany izy, toy ny liona ao amin’ny fonenany.*+
Mamitsaka hisambotra an’ilay tsy misy mpiaro izy.
Azony ilay tsy misy mpiaro rehefa sintoniny hikombona ny haratony.+
10 Torotoro sy voahosihosy izay azony;Lasa eo ambany fifehezany* ireo marefo.
11 Hoy izy any am-pony any: “Efa nanadino Andriamanitra.+
Efa nihodina tsy nijery izy.
Tsy mahita mihitsy izy.”+
ק [Kôfa]
12 Mitsangàna, Jehovah ô!+ Ingao ny tananao, Andriamanitra ô!+
Aza hadinoina ireo tsy misy mpiaro.+
13 Nahoana no maniratsira an’Andriamanitra ny ratsy fanahy?
Hoy izy any am-pony any: “Tsy hanao ampamoaka ahy ianao.”
ר [Resa]
14 Tena hitanao anefa ny zava-tsarotra sy ny fahoriana.
Jerenao izany ka raisinao an-tanana.+
Ianao no ianteheran’ny marefo;+Ianao no mpanampy ny kamboty ray.+
ש [Shina]
15 Tapaho ny sandrin’ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy.+Amin’izay rehefa mikaroka ny faharatsiany ianao,Dia tsy hahita an’izany intsony.
16 Mpanjaka mandrakizay mandrakizay i Jehovah.+
Ripaka tsy misy eto an-tany ireo firenena.+
ת [Tao]
17 Fa hohenoinao kosa, Jehovah ô, ny fitalahoan’ny mpandefitra.+
Hanatanjaka ny fony+ ianao sady hihaino tsara azy.+
18 Hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy izay ampijalina ianao,+Mba tsy hampatahotra azy ireo intsony ny olombelona mety maty, dia ny olona etỳ an-tany.+