Salamo 100:1-5
Hira fisaorana.
100 Manaova horakora-pandresena ho an’i Jehovah, ry tany manontolo.+
2 Manompoa an’i Jehovah sady mifalia.+
Mankanesa eo anatrehany sady mihobia.
3 Fantaro* fa i Jehovah no Andriamanitra.+
Izy no nanao antsika, ary azy isika.*+
Vahoakany isika sady ondry ao an-kijanany.+
4 Midira eo am-bavahadiny mba hisaotra+ azy,Ary eo an-tokotaniny mba hidera+ azy.
Misaora azy; derao ny anarany.+
5 Fa tsara i Jehovah;+Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,Ary asehony amin’ny taranaka fara aman-dimby hoe mendri-pitokisana izy.+