Salamo 103:1-22
Nataon’i Davida.
103 Hidera an’i Jehovah aho!Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.
2 Hidera an’i Jehovah aho!Tsy hohadinoiko mihitsy anie izay rehetra nataony!+
3 Mamela ny fahadisoanao rehetra izy,+Ary manasitrana ny aretinao rehetra;+
4 Manavotra ny ainao tsy ho lasa any an-davaka* izy,+Ary ataony toy ny satroboninahitra eny aminao ny fitiavany sy ny tsy fivadihany ary ny famindram-pony.+
5 Ataony afa-po amin’ny zava-tsoa+ ianao mandritra ny androm-piainanao,Mba hihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.+
6 Manao ny rariny sy ny hitsiny+ i JehovahAmin’izay rehetra ampijalina.+
7 Nampahafantariny an’i Mosesy ny lalany,+Ary nolazainy tamin’ny zanak’Israely ny zavatra nataony.+
8 Mamindra fo sy mangoraka*+ i Jehovah,Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+
9 Tsy hanameloka antsika foana noho ny fahadisoana nataontsika izy,+Na hitana lolompo mandrakizay.+
10 Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy,+Na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.+
11 Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tanyNy haben’ny fitiavana sy ny tsy fivadihana asehony amin’izay matahotra azy.+
12 Toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+
13 Mamindra fo amin’ny zanany ny ray,Dia toy izany koa fa mamindra fo amin’izay matahotra azy i Jehovah.+
14 Fa fantany tsara ny nanaovana antsika,+Ary tsy hadinony hoe vovoka+ ihany isika.
15 Mihelina toy ny ahitra ny androm-piainan’ny olombelona mety maty;+Mamony toy ny voninkazo eny an-tsaha izy.+
16 Vao tsofin’ny rivotra anefa izy dia tsy eo intsony,Hoatran’ny hoe tsy teo mihitsy.*
17 Ho mandrakizay kosa ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihanyAmin’izay matahotra azy,+Ary ny fahamarinany dia asehony hatramin’ny taranak’izy ireo fara aman-dimby,+
18 Dia amin’ireo manaja ny fifanekena+ nataonySy ireo mankatò an-tsakany sy an-davany ny fitsipiny.
19 Nataon’i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany;+Ary ny fanjakany no mifehy ny zava-drehetra.+
20 Derao i Jehovah, ry anjeliny rehetra+ tena mahery,Izay manatanteraka ny baikony+ sy mankatò ny teniny.*
21 Derao i Jehovah, ry tafiny rehetra,+Dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.+
22 Derao i Jehovah, ry zavaboariny rehetra,Any amin’ny toerana rehetra anjakany.
Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo anie aho!