Salamo 104:1-35

104  Aoka aho hidera an’i Jehovah!+Lehibe tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro ô!+Mitafy haja amam-boninahitra ianao.+   Hazavana no toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao.+Ary henjaninao toy ny tranolay ny lanitra.+   Vatan-kazo no anaovany ny efitranony ambony rihana, izay aoriny eny amin’ny rano.+Manao ny rahona ho kalesiny izy,+Ary mandeha amin’ny elatry ny rivotra.+   Manao ny anjeliny ho fanahy izy,+Ary ireo mpanompony ho afo mandevona.+   Naoriny ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany,+Ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.+   Rano lalina no toy ny akanjo nampitafiany azy io.+Ary nandifotra tendrombohitra ny rano.+   Noteneninao mafy ny rano ka nandositra,+Ary nandre ny feon’ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka   Tany amin’ny toerana nataonao ho azy.Nisondrotra ny tendrombohitra,+Ary nietry kosa ny tany lemaka.*   Nanisy fetra tsy hihoaran’ny rano ianao,+Mba tsy hanarona ny tany intsony izany.+ 10  Asiany loharano eny amin’ny lohasaha falehan-driaka,+Ka mikoriana foana eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny. 11  Ireny no manome rano fisotro ho an’ny bibidia rehetra,+Sy manala hetaheta ny zebra.+ 12  Eny amin’ny rantsankazo eo ambonin’ireny no itoeran’ny voro-manidina,+Ao anaty ravinkazo mandrobona izy ireo no misioka.+ 13  Avy eny amin’ny efitranony ambony rihana Andriamanitra no manondraka ny tendrombohitra.+Afa-po amin’ny vokatry ny asanao ny tany.+ 14  Mampitsimoka ahi-maitso ho an’ny biby Izy,+Ary koa zavamaniry ho an’ny olombelona,+Mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo+ 15  Sy divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty,+Mba ho mandimandin’ny menaka ny tarehiny.+Ny tany koa no ahazoan’ny olona mofo ho tohan’aina.+ 16  Afa-po ireo hazon’i Jehovah,Dia ny sederan’i Libanona izay namboleny,+ 17  Sy ametrahan’ny vorona ny akaniny.+Ny vanobe kosa manao ny tranony eny amin’ny hazo zenevrie.+ 18  Natao ho an’ny osidia+ ny tendrombohitra+ avo,Ary ny vatolampy no fialofan’ny bitrom-bato.+ 19  Nanao ny volana izy mba hamaritana fotoana,+Ary ny masoandro mahalala tsara ny toerana ilentehany.+ 20  Mahatonga haizina ianao, mba hisian’ny alina,+Ka mivezivezy ny bibidia rehetra any an’ala. 21  Mierona ny liona tanora rehefa mitady remby,+Sy mitady hanina avy amin’Andriamanitra.+ 22  Miposaka ny masoandro,+ dia mody ireny,Ka mandry ao amin’ny toeram-piafenany. 23  Ny olona kosa mivoaka hanao ny asany,+Sy hamita ny raharahany mandra-paharivan’ny andro.+ 24  Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô!+Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.+Heniky ny zavatra nataonao ny tany.+ 25  Ny ranomasina izay tena lehibe sy midadasika kosa,+No ahitana biby mihetsiketsika tsy tambo isaina,+Dia zavamananaina kely sy lehibe.+ 26  Any no ivezivezen’ny sambo,+Ary ny biby goavam-be*+ kosa nataonao hilalao any.+ 27  Ireo rehetra ireo dia miandrandra anao+Hanome azy ny haniny amin’ny fotoanany.+ 28  Raisiny izay omenao azy.+Manokatra ny tananao ianao, ka voky zava-tsoa izy ireo.+ 29  Raha manafina ny tavanao kosa ianao, dia very hevitra izy ireo.+Ary raha esorinao ny hery mamelona azy, dia tapitra ny ainy,+Ka miverina ho vovoka izy.+ 30  Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo,+Ary havaozinao ny endriky ny tany. 31  Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny voninahitr’i Jehovah.+Hifaly amin’ny asany i Jehovah.+ 32  Jereny ny tany, dia mangovitra.+Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.+ 33  Hihira ho an’i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako,+Ary hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.+ 34  Hahafinaritra azy anie ny fisaintsainako azy!+Ary izaho kosa hifaly amin’i Jehovah.+ 35  Ho ringana tsy hisy etỳ an-tany ny mpanota,+Ary ny ratsy fanahy tsy hisy intsony.+Aoka aho hidera an’i Jehovah! Miderà an’i Jah!*+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemaka.”
Heb.: Leviatana.
“Miderà an’i Jah!” na: “Haleloia!” Jereo Sl 68:4 f.a.p. sy F.F. 1A.