Salamo 109:1-31

  • Vavaky ny olona kivy

    • ‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikiny’ (8)

    • Mitsangana eo akaikin’ny mahantra i Jehovah (31)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 109  Ry Andriamanitra ô! Ianao no deraiko.+ Aza mangina fotsiny.  2  Fa manoka-bava hamelezana ahy ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka. Milaza lainga momba ahy izy ireo;+  3  Tototry ny teny feno fankahalana ataon’ny manodidina aho,Ary miady amiko tsy amin’antony+ izy ireo.  4  Fanoherana no avaliny ny fitiavako azy;+Mbola mivavaka foana anefa aho.  5  Mamaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,+Ary fankahalana no avaliny ny fitiavako azy.+  6  Manendre ratsy fanahy hanam-pahefana aminy;Hisy mpanohitra* anie hitsangana eo ankavanany!  7  Enga anie izy ho hita fa meloka* rehefa tsaraina;Enga anie hoheverina ho fahotana na dia ny vavaka ataony aza!+  8  Aoka ho vitsy andro izy;+Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikitra notanany.+  9  Aoka ho kamboty ray ny zanany,*Ary ho mpitondratena ny vadiny. 10  Enga anie ho lasa mpangataka mirenireny ny zanany,*Ka hitady hanina lavitry ny tranony efa ravarava. 11  Haka an’izay rehetra ananany anie ny tompon-trosa,*Ary horobain’olon-tsy fantatra ny fananany! 12  Enga anie ka tsy hisy olona ho tsara fanahy* aminy,Ary tsy hisy hiantra an’ireo zanany kamboty ray! 13  Aoka haringana ny taranany;+Hofafana anie ny anaran’izy ireo ka tsy ho tsaroan’ny taranaka mandimby azy! 14  Enga anie hotadidin’i Jehovah ny fahadisoan’ireo razambeny,+Ary tsy hokosehina ny fahotan-dreniny! 15  Ho ao an-tsain’i Jehovah foana anie izay nataon’izy ireo,Ary hofoanany tsy ho eto an-tany ny fahatsiarovana azy ireo!+ 16  Tsy mba nahatsiaro haneho hatsaram-panahy*+ mantsy izy io,Fa nenjehiny foana ny olona mijaly+ sy ny mahantra ary ny torotoro fo,Mba hamonoany azy ho faty.+ 17  Tia nanozona izy, ka voaozona;Tsy te hitso-drano izy, ka tsy nahazo tsodrano. 18  Ozona no nitafiany toy ny akanjo. Nararaka toy ny rano tao amin’ny vatany izany,Ary toy ny menaka tao amin’ny taolany. 19  Ho toy ny akanjo mandrakotra ny vatany+ anie ny ozona nataony,Ary ho toy ny fehikibo anaovany foana! 20  Izany no avalin’i Jehovah an’ilay manohitra ahy+Sy avaliny an’ireo manaratsy ahy. 21  Fa ianao kosa ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô,Ampio aho noho ny anaranao.+ Vonjeo aho, fa tsara ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.+ 22  Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra,+Ary voatsindrona ny foko ato anatiko.+ 23  Tsy hisy intsony toy ny aloka efa hanjavona aho,Ary akifika toy ny valala. 24  Mangozohozo ny lohaliko noho izaho mifady hanina;Mihamahia aho, ary mihakely hery.* 25  Lasa esoesoin’izy ireo aho.+ Mihivingivin-doha izy ireo rehefa mahita ahy.+ 26  Ampio aho, ry Jehovah Andriamanitro ô!Vonjeo aho satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao. 27  Enga anie ka ho fantany fa ny tananao no nanao an’izany;Ho fantany fa ianao, Jehovah ô, no nanatanteraka an’izany! 28  Aoka izy ireo hanozona, fa ianao kosa hitso-drano. Enga anie izy ireo ho menatra rehefa mitsangana hanohitra ahy,Fa ny mpanomponao kosa hifaly. 29  Aoka hitafy fahafaham-baraka ireo manohitra ahy;Enga anie handrakotra azy ireo toy ny akanjo lava* ny henatr’izy ireo!+ 30  Hafana fo hidera an’i Jehovah ny vavako;Hidera azy eo anoloan’ny olona be dia be aho.+ 31  Fa hitsangana eo ankavanan’ny mahantra izy,Mba hamonjy azy amin’ireo manameloka azy.

Fanamarihana

Abt: “mpiampanga.”
Na: “ratsy fanahy.”
Abt: “zanany lahy.”
Abt: “zanany lahy.”
Na: “Hamelatra fandrika hahazoana ny fananany rehetra anie ny mpampanjana-bola.”
Na: “ho tia azy sy tsy hivadika.”
Na: “fitiavana sy tsy fivadihana.”
Abt: “Mihamahia ny nofoko, tsy misy tavy (menaka).”
Na: “akanjo tsy misy tanany.”