Salamo 111:1-10

111  Miderà an’i Jah!+ א [Alefa]Hankalaza an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho,+ב [Beta]Eo anivon’ireo olo-mahitsy mpinamana akaiky+ sy vahoaka tafavory.+ ג [Gimela]   Lehibe ny asan’i Jehovah,+ד [Daleta]Izay dinihin’ireo rehetra tia an’ireny.+ ה [He]   Heni-kaja amam-boninahitra+ ny zavatra nataony,+ו [Vao]Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.+ ז [Zaina]   Nataony izay hahatsiarovana ny asany mahatalanjona.+ ח [Heta]Tsara fanahy sy mamindra fo i Jehovah.+ ט [Teta]   Nomeny hanina ireo matahotra azy.+ י [Yôda]Hotsaroany mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay fifanekena nataony.+ כ [Kafa]   Ny heriny, izay hita taratra eo amin’ny zavatra nataony, no nambarany tamin’ny olony,+ל [Lameda]Rehefa nomeny azy ireo ny lovan’ireo firenena.+ מ [Mema]   Marina sy ara-drariny ny asan’ny tanany.+נ [Nona]Mendri-pitokisana ny didiny rehetra,+ ס [Sameka]   Sady tsara fototra mandrakizay, eny, mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ע [Aina]Ary natao araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.+ פ [Pe]   Nanavotra ny olony izy,+ צ [Tsade]Ary nandidy mba haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ilay fifanekena nataony.+ ק [Kôfa]Masina sy mendrika hatahorana ny anarany.+ ר [Resa] 10  Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.+ ש [Sina]Tena lalin-tsaina izay rehetra mankatò ny didiny.+ ת [Tao]Maharitra mandrakizay ny fiderana azy.+

Fanamarihana