Salamo 122:1-9

  • Vavaka atao mba hiadanan’i Jerosalema

    • Mahafaly ny mankany an-tranon’i Jehovah (1)

    • Tanàna natambatra ho iray (3)

Hira Fiakarana. Nataon’i Davida. 122  Faly aho rehefa niteny tamiko izy ireo hoe: “Andao isika ho any an-tranon’i Jehovah!”+  2  Ary izao ny tongotray dia mijoroEo am-bavahadinao,* ry Jerosalema+ ô!  3  Naorina ho tanàna i Jerosalema,Izay natambatra ho iray.+  4  Niakatra nankany ireo foko,Dia ireo fokon’i Jah,*Araka ny fampahatsiahivana nomeny ho an’ny Israely,Mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.+  5  Fa any no nametrahana ny sezan’ny mpitsara,+Dia ny seza fiandrianan’ny taranak’i Davida.+  6  Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema!+ Tsy hanana ahiahy izay tia anao.  7  Hisy fiadanana foana anie ao anatin’ny dongon-tany* miaro anao,Ary tsy hanana ahiahy mihitsy anie izay ao anatin’ireo tilikambonao voaro mafy!  8  Noho ny amin’ny rahalahiko sy ny namako no hilazako hoe: “Hisy fiadanana anie ao aminao!”  9  Noho ny amin’ny tranon’i Jehovah Andriamanitsika,+Dia hitady izay hahasoa anao aho.

Fanamarihana

Abt: “Ao anatin’ny vavahadinao.”
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na: “manda voaro mafy.”