Salamo 123:1-4
Hira Fiakarana.
123 Mitraka mijery anao aho,+Dia ianao ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra.
2 Toy ny ijeren’ny mpanompo ny tanan’ny tompony,Sy toy ny ijeren’ny mpanompovavy ny tanan’ny tompovaviny,No ijerenay an’i Jehovah Andriamanitray+Mandra-piantrany anay.+
3 Iantrao izahay, Jehovah ô, iantrao izahay,Fa tototry ny fanambaniana be loatra.+
4 Tototry ny fanesoana tafahoatra* ataon’ireo matoky tena izahay,Sy ny fanambaniana ataon’ireo mirehareha.
Fanamarihana
^ Na: “Leon’ny fanesoana.”