Salamo 130:1-8

  • “Ao anatin’ny fahoriana lalina aho no miantso anao”

    • ‘Raha mitsingoloka fahadisoana ianao’ (3)

    • Tena mamela heloka i Jehovah (4)

    • “Miandry mafy an’i Jehovah aho” (6)

Hira Fiakarana. 130  Ao anatin’ny fahoriana lalina* aho no miantso anao, Jehovah ô!+  2  Henoy ny feoko, Jehovah ô! Hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako fanampiana anie ianao!  3  Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao,* ry Jah* ô,Dia iza aminay no hahajoro,+ Jehovah ô?  4  Fa ao aminao ny tena famelan-keloka,+Mba hanajan’ny* olona anao.+  5  Manantena an’i Jehovah aho, manantena azy amin’ny foko manontolo;Miandry ny teniny aho.  6  Miandry mafy an’i Jehovah aho,+Mihoatra noho ny fiandrasan’ny mpiambina izay hahamaraina ny andro,+Eny, mihoatra noho ny fiandrasan’ny mpiambina ny maraina.  7  Aoka hiandry foana an’i Jehovah ny Israely,Satria tsy miovaova mihitsy ny fitiavan’i Jehovah,+Ary manana hery lehibe hanavotana izy.  8  Hanavotra ny Israely ho afaka amin’ny fahadisoany rehetra izy.

Fanamarihana

Abt: “Avy ao amin’ny lalina.”
Na: “Raha ataonao lisitra daholo ny fahadisoanay.”
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Abt: “hatahoran’ny.”