Salamo 135:1-21

135  Miderà an’i Jah!+Derao ny anaran’i Jehovah.+Manaova fiderana, ry mpanompon’i Jehovah,+   Izay mijoro ao an-tranon’i Jehovah+Sy ao an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitsika.+   Miderà an’i Jah, fa tsara i Jehovah.+Manaova hira fiderana ho an’ny anarany, fa mahafinaritra izany.+   Fa nofidin’i Jah ho azy i Jakoba,+Ary nofidiny ho fananany manokana i Israely.+   Fantatro tsara fa lehibe i Jehovah,+Ary ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.+   Izay rehetra mahafinaritra an’i Jehovah, dia ataony+Na any an-danitra, na etỳ an-tany, na any an-dranomasina, na any amin’ny rano lalina rehetra.+   Mampiakatra etona avy any amin’ny faran’ny tany izy,+Sady manao vavahadin-drano ho an’ny orana,+Ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitehirizany azy.+   Izy no namono ny lahimatoan’i Ejipta,+Na olona na biby.+   Nandefa famantarana sy nanao fahagagana teo anivonao izy, ry Ejipta ô,+Dia tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra.+ 10  Namely firenena maro izy,+Ary nandripaka mpanjaka mahery,+ 11  Dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita+Sy Oga mpanjakan’i Basana+Ary ny fanjakana rehetra tao Kanana.+ 12  Nomeny ho lova ny tanin’ireo,+Eny, ho lovan’ny Israely olony.+ 13  Maharitra mandrakizay ny anaranao, Jehovah ô!+Maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana anao, Jehovah ô!+ 14  Hiady ho an’ny olony eo amin’ny fitsarana i Jehovah,+Ary hanenina izy ka hamindra fo amin’ny mpanompony.+ 15  Volafotsy sy volamena ny sampin’ireo firenena+Sady asa tanan’olombelona.+ 16  Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny.+Mana-maso, fa tsy mahita.+ 17  Manan-tsofina, fa tsy mandre,+Ary tsy misy fofonaina eo am-bavany.+ 18  Ho sahala amin’ireny ny olona manao azy+Sy izay rehetra matoky azy.+ 19  Miderà an’i Jehovah, ry taranak’Israely ô!+Miderà an’i Jehovah, ry taranak’i Arona ô!+ 20  Miderà an’i Jehovah, ry taranak’i Levy ô!+Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà an’i Jehovah.+ 21  Hoderaina avy ao Ziona anie i Jehovah+Izay monina ao Jerosalema!+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana