Salamo 136:1-26

  • Be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay i Jehovah

    • Niangaliana fatratra ny lanitra sy ny tany (5, 6)

    • Maty tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao (15)

    • Tsaroan’i Jehovah ny kivy (23)

    • Sakafo ho an’ny zavamananaina rehetra (25)

136  Misaora an’i Jehovah, fa tsara izy;+Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+  2  Misaora an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.  3  Misaora an’ilay Tompon’ny tompo,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.  4  Izy irery ihany no manao zavatra faran’izay mahagaga,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+  5  Nanao ny lanitra izy sady niangaliany fatratra izany,*+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.  6  Namelatra ny tany teo ambonin’ny rano izy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.  7  Nanao an’ireo zavatra lehibe manome hazavana izy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,  8  Dia ny masoandro, izay hanjaka amin’ny andro,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,  9  Ary ny volana sy ny kintana, izay hanjaka amin’ny alina,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 10  Novonoiny ho faty ny lahimatoan’i Ejipta,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 11  Nitondra ny Israely nivoaka avy teo amin’ny Ejipsianina izy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay, 12  Tamin’ny tanany matanjaka sy ny sandriny mahery,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 13  Nosarahiny roa* ny Ranomasina Mena,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 14  Nataony izay handehanan’ny Israely teo afovoan’ilay izy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 15  Nakifiny nankao amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 16  Nitarika ny vahoakany namakivaky ny tany efitra+ izy,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 17  Nandripaka mpanjaka lehibe+ izy,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 18  Namono mpanjaka mahery izy,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay, 19  Dia i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay, 20  Sy Oga+ mpanjakan’i Basana,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 21  Nomeny ho lova ny tanin’ireo,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay, 22  Dia ho lovan’ny Israely mpanompony,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 23  Nahatsiaro antsika izy tamin’isika kivy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.+ 24  Namonjy antsika tamin’ny fahavalontsika foana izy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 25  Manome sakafo ho an’ny zavamananaina* rehetra izy,+Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay. 26  Misaora an’ilay Andriamanitry ny lanitra,Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.

Fanamarihana

Na: “Nanao ny lanitra tamim-pahiratan-tsaina izy.”
Abt: “Nozarazarainy.”
Abt: “nofo.”