Salamo 138:1-8

  • Avo i Jehovah nefa mikarakara

    • ‘Namaly ny vavaka nataoko ianao’ (3)

    • ‘Mamonjy ahy ianao, na rehefa miatrika loza aza aho’ (7)

Nataon’i Davida. 138  Hidera anao amin’ny foko manontolo aho.+ Eo anatrehan’ireo andriamani-kafaNo hihirako fiderana ho anao.*  2  Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina*+ aho,Sady hidera ny anaranao,+Noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika ary mendri-pitokisana. Fa nataonao ambony mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny teninao sy ny anaranao.*  3  Namaly ahy ianao tamin’ny andro niantsoako anao;+Nomenao fahasahiana aho ary nohatanjahinao.+  4  Hidera anao daholo ny mpanjakan’ny tany, Jehovah ô,+Satria ho henon’izy ireo ny fampanantenana nolazainao.  5  Hihira momba an’izay nataon’i* Jehovah izy ireo,Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah.+  6  Na avo aza i Jehovah, dia mijery an’izay manetry tena,+Fa izay manambony tena kosa halaviriny.*+  7  Hitsimbina ny aiko ianao na dia rehefa miatrika loza aza aho.+ Manatsotra ny tananao ianao mba hanoherana ny hatezeran’ny fahavaloko;Hamonjy ahy ny tananao ankavanana.  8  Hotanterahin’i Jehovah daholo izay noeritreretiny hoe mahasoa ahy. Jehovah ô, be fitiavana ianao sady tsy mivadika mandrakizay!+Aza afoy ny asan’ny tananao.+

Fanamarihana

Na mety hoe “Mba hihantsiana an’ireo andriamani-kafa, dia hitendry mozika ho anao aho.”
Na: “toeranao masina.”
Na mety hoe “nataonao ambony mihoatra noho ny anaranao ny teninao.”
Na: “ny lalan’i.”
Na: “fantany avy lavitra fotsiny.”