Salamo 139:1-24
Ho an’ny mpitarika. Hira nataon’i Davida.
139 Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.+
2 Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana.+
Fantatrao avy eny lavitra eny ny eritreritro.+
3 Mandinika* ahy ianao na mandeha aho na mitsotsotra;Hainao tsara ny lalako rehetra.+
4 Mbola tsy miteny akory aho,*Dia efa fantatrao tsara ny tiako holazaina,+ Jehovah ô!
5 Manodidina ahy avy ao andamosiko sy avy eo anoloako ianao,Ary apetrakao eo amiko ny tananao.
6 Tsy takatry ny saiko* izany fahalalanao izany.
Avo loatra izany ka tsy takatro.+
7 Aiza no azoko itsoahana ka tsy ho tongan’ny fanahinao?Ary aiza no azoko andosirana tsy ho eo anatrehanao?+
8 Raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao,Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana* aho, dia any koa ianao.+
9 Raha manidina amin’ny elatry ny maraina vao mangiran-dratsy aho,Mba honina eny amoron’ny ranomasina faran’izay lavitra,
10 Dia mbola mitarika ahy ihany ny tananao, na dia any aza,Ary mitazona ahy ny tananao ankavanana.+
11 Raha miteny aho hoe: “Tsy maintsy hanarona ahy ny haizina!”,
Dia ho lasa hazavana ny alina manodidina ahy.
12 Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao,Fa mazava toy ny andro ny alina;+Aminao dia hoatran’ny hazavana ihany ny haizina.+
13 Fa ianao no namorona ny voako;Notakonanao* tao an-kibon’i Neny+ aho.
14 Midera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.+
Mahatalanjona ny asanao,+Ary tena fantatro tsara izany.
15 Tsy niafina taminao ny taolako,Tamin’izaho noforoninao tao amin’ny toerana miafina,Tamin’izaho notenominao tao amin’ny faritra lalina amin’ny tany.+
16 Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho;Voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’ny vatakoSy ny andro niforonan’ireny,Tamin’ny mbola tsy nisy akory ireny na iray aza.
17 Koa tena sarobidy amiko ny hevitrao!+
Tena be dia be tokoa ny isan’ireny, Andriamanitra ô!+
18 Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika.+
Rehefa mifoha aho, dia mbola eo aminao ihany.*+
19 Andriamanitra ô, raha mba aringanao mantsy ny ratsy fanahy!+
Dia hiala amiko ny olona mahery setra,*
20 Dia ireo manakiana anao satria efa ratsy saina;*Fahavalonao ireny ary manao tsinontsinona ny anaranao.+
21 Jehovah ô, tsy mankahala an’izay mankahala anao+ ve aho?Tsy maharikoriko ahy ve izay mikomy aminao?+
22 Tena halako ireny,+Ary lasa tena fahavaloko.
23 Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko.+
Diniho aho, ka fantaro izay mampitebiteby* ahy.+
24 Jereo sao misy zava-dratsy* ato anatiko,+Dia tariho+ mankany amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.