Salamo 140:1-13
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
140 Vonjeo tsy ho azon’ny olon-dratsy aho, Jehovah ô!Arovy amin’ny olona mahery setra aho,+
2 Dia amin’ireo mamorona teti-dratsy ao am-pony+Sy mila ady foana.
3 Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny bibilava ny lelany;+Misy poizin’ny bibilava ao am-bavany.*+ (Sela)
4 Arovy tsy ho azon’ny tanan’ny ratsy fanahy aho,+ Jehovah ô!Arovy amin’ny olona mahery setra aho,Dia amin’ireo mitetika ny hamingana ahy.
5 Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manambony tena;Mampiasa tady izy ireo mba hamelarana harato eny amoron-dalana.+
Mamelatra fandrika hahazoana ahy izy ireo.+ (Sela)
6 Miteny amin’i Jehovah aho hoe: “Ianao no Andriamanitro.
Henoy ny fitalahoako fanampiana, Jehovah ô!”+
7 Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ilay Mpamonjy ahy tena mahery,Miaro ny lohako ianao rehefa raikitra ny ady.+
8 Aza tanterahina ny fanirian’ny ratsy fanahy, Jehovah ô!
Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hisandratra izy ireo.+ (Sela)
9 Enga anie hitsingerina eo an-dohan’ireo manodidina ahyNy zava-dratsy nolazain’ny molony!+
10 Hisy vainafo hiraraka anie eo an-dohan’izy ireo!+
Enga anie izy ireo hatsipy ao anaty afo,Ao anaty lavaka lalina,*+ ka tsy ho tafakatra intsony mihitsy!
11 Tsy hahita toerana hipetrahana eto an-tany* anie ny mpanendrikendrika!+
Henjehin’ny faharatsiana anie ny olona mahery setra, dia hasiany!
12 Fantatro fa harovan’i Jehovah ny madinika,Ary homeny rariny ny mahantra.+
13 Hisaotra ny anaranao tokoa ny olo-marina;Honina eo anatrehanao+ ny olona manao izay mahitsy.