Salamo 143:1-12
Hiran’i Davida.
143 Jehovah ô, henoy ny vavaka ataoko;+Henoy ny fitalahoako fanampiana.
Valio aho fa mendri-pitokisana sy manao ny rariny ianao.
2 Aza mifandahatra amin’ny mpanomponao eo amin’ny fitsarana,Satria tsy misy olombelona azo atao hoe marina eo anatrehanao.+
3 Fa manenjika ahy ny fahavalo;Namotika ny fiainako izy, ka nanosihosy ahy tamin’ny tany.
Nataony nonina tao amin’ny haizina aho, hoatran’ny olona maty efa ela be.
4 Rera-tsaina aho;*+Reraka ny foko ato anatiko.+
5 Mahatsiaro ny taloha aho;Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho,+Ary mieritreritra lalina* momba ny asan’ny tananao.
6 Mamelatra ny tanako mba hivavaka aminao aho;Toy ny tany karakaina aho, ka mangetaheta anao.+ (Sela)
7 Mba valio haingana aho, Jehovah ô!+Efa ho lany ny heriko.+
Aza mihodina tsy hijery ahy,*+Sao ho lasa hoatran’ireo midina any an-davaka* aho.+
8 Ataovy maheno momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho amin’ny maraina,Fa matoky anao.
Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako,+Satria ianao no ianteherako.*
9 Vonjeo tsy ho azon’ny fahavaloko aho, Jehovah ô!
Mitady ny fiarovanao+ aho.
10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho,+Fa ianao no Andriamanitro.
Tsara ny fanahinao;Enga anie izany hitarika ahy eo amin’ny toerana tsy mikitoantoana!*
11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia tsimbino ny aiko!
Afaho amin’ny fahoriako aho, satria manao ny rariny ianao.+
12 Aringano* ny fahavaloko,+ satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao.Aripaho izay rehetra mampijaly ahy,+Fa mpanomponao+ aho.