Salamo 145:1-21

Hira Fiderana nataon’i Davida. א [Alefa] 145  Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka+ ô,Ary hidera ny anaranao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+ ב [Beta]   Hidera anao tontolo andro aho,+Ary hankalaza ny anaranao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+ ג [Gimela]   Lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina tokoa.+Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.+ ד [Daleta]   Hidera ny asanao ny taranaka fara mandimby.+Ary ny asanao lehibe no hambaran’izy ireo.+ ה [He]   Ny famirapiratan’ny haja amam-boninahitrao+Sy ny asanao mahatalanjona no hosaintsainiko.+ ו [Vao]   Hiresaka momba ny hery nampiasainao tamin’ireo zava-mampahatahotra nataonao izy ireo,+Fa ny fahalehibeazanao kosa no hambarako.+ ז [Zaina]   Ny vavan’izy ireo hiboiboika teny manambara ny hatsaran-toetranao.+Hihoby izy ireo, noho ny fahamarinanao.+ ח [Heta]   Tsara fanahy sy mamindra fo i Jehovah,+Ary tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana.+ ט [Teta]   Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah,+Ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.+ י [Yôda] 10  Hidera anao ny asanao rehetra, Jehovah ô!+Ary hankalaza anao ireo tsy mivadika aminao.+ כ [Kafa] 11  Ny voninahitry ny fanjakanao no horesahin’izy ireo,+Ary ny herinao no holazainy,+ ל [Lameda] 12  Mba hampahafantarana amin’ny zanak’olombelona ny asanao lehibe+Sy ny famirapiratan’ny voninahitry ny fanjakanao.+ מ [Mema] 13  Ny fanjakanao dia fanjakana maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra,+Ary ny fitondranao maharitra hatramin’ny taranaka rehetra mifandimby.+ ס [Sameka] 14  Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah,+Ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.+ ע [Aina] 15  Ianao no andrandrain’ny mason’ny rehetra.+Ianao koa no manome azy ny haniny amin’ny fotoanany.+ פ [Pe] 16  Manokatra ny tananao ianao,+Ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.+ צ [Tsade] 17  Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.+Tsy mivadika koa izy, amin’izay rehetra ataony.+ ק [Kôfa] 18  Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah,+Dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.+ ר [Resa] 19  Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy.+Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.+ ש [Shina] 20  Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah.+Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.+ ת [Tao] 21  Ny fiderana an’i Jehovah no holazain’ny vavako.+Aoka hidera ny anarany masina ny nofo rehetra mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+

Fanamarihana