Salamo 147:1-20

147  Miderà an’i Jah,+Fa tsara ny mihira fiderana ho an’Andriamanitsika,+Eny, mahafinaritra izany. Mety ny midera azy.+   Manorina an’i Jerosalema i Jehovah.+Angoniny ireo Israelita miparitaka.+   Manasitrana+ an’ireo torotoro fo izy,+Ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.+   Manisa ny kintana+ izy,Ary antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra.+   Lehibe ilay Tompontsika sady tena mahery.+Mahira-tsaina tsy misy hoatr’izany izy.+   Manao izay hahamaivana ny fahorian’ny mpandefitra i Jehovah.+Fa aetriny amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy.+   Koa manaova hira mifamaly ho fisaorana an’i Jehovah.+Manaova hira amin’ny harpa mba hiderana an’Andriamanitsika,+   Ilay manarona rahona ny lanitra,+Ilay manao ny orana ho an’ny tany,+Ilay mampitsimoka ahi-maitso+ eny an-tendrombohitra.   Omeny sakafo ny bibidia+Sy ny zana-goaika mikiakiaka.+ 10  Tsy ny tanjaky ny soavaly no mahafinaritra azy,+Ary tsy ny hafainganan-tongotry ny olona no ankasitrahany.+ 11  Fa ny olona matahotra azy no ankasitrahan’i Jehovah,+Eny, ny olona miandry ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+ 12  Ankalazao i Jehovah,+ ry Jerosalema ô!Derao Andriamanitrao, ry Ziona ô!+ 13  Fa manamafy ny bara hidin’ny vavahadinao izy,Ary mitahy ny zanakao eo aminao.+ 14  Ataony manjaka ao amin’ny faritra misy anao ny fiadanana.+Ary ataony voky varimbazaha faran’izay tsara* ianao.+ 15  Mandefa ny didiny etỳ an-tany izy,+Ka haingana erỳ ny fihazakazaky ny teniny. 16  Manome lanezy, izay toy ny volonondry, izy.+Ary aparitany toy ny lavenona ny ranomandry mitsiratsiraka.+ 17  Atsipiny toy ny sombi-mofo ny ranomandry.+Iza no mahatanty ny hatsiaka aeliny?+ 18  Mandefa ny teniny izy+ dia mitsonika ireny.Ataony mitsoka ny rivotra,+Ka mikoriana ny rano. 19  Milaza ny teniny amin’i Jakoba izy.+Ary lazainy amin’ny Israely ny fitsipiny+ sy ny didim-pitsarany.+ 20  Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa izy.+Ary ny didim-pitsarany tsy mba fantatr’ireny.+Miderà an’i Jah!+

Fanamarihana

A.b.t.: “ny matavy amin’ny varimbazaha.”