Salamo 148:1-14

  • Tokony hidera an’i Jehovah ny zavaboary rehetra

    • “Derao izy, ry anjeliny rehetra” (2)

    • ‘Derao izy, ry masoandro sy volana ary kintana’ (3)

    • Tokony hidera an’i Jehovah ny tanora sy ny zokiolona (12, 13)

148  Derao i Jah!* Miderà an’i Jehovah, ianareo any an-danitra;+Miderà azy any amin’ny avo.  2  Derao izy, ry anjeliny rehetra.+ Derao izy, ry tafiny manontolo.+  3  Derao izy, ry masoandro sy volana. Derao izy, ry kintana rehetra mamirapiratra.+  4  Derao izy, ry lanitra avo indrindra* ô,Sy ry rano ambonin’ny lanitra.  5  Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo,Fa nanome didy izy, dia voaforona ireo.+  6  Ataony mafy orina mandrakizay mandrakizay ireo;+Efa namoaka didy izy, ary tsy ho foana mihitsy izany.+  7  Miderà an’i Jehovah, ianareo etỳ an-tany,Dia ianareo biby ngezabe any an-dranomasina sy ianareo rano lalina rehetra,  8  Ianareo tselatra sy havandra, lanezy sy rahona matevina,Ianareo rivo-mahery izay manatanteraka ny teniny,+  9  Ianareo tendrombohitra sy ianareo havoana rehetra,+Ianareo hazo fihinam-boa sy ianareo hazo sedera rehetra,+ 10  Ianareo bibidia+ sy ianareo biby fiompy rehetra,Ianareo biby mandady sy vorona manana elatra, 11  Ianareo mpanjakan’ny tany sy ianareo firenena rehetra,Ianareo andriana sy ianareo mpitsara rehetra eto an-tany,+ 12  Ianareo tovolahy sy ianareo tovovavy,*Ianareo lehilahy zokiolona sy ianareo tanora.* 13  Aoka samy hidera ny anaran’i Jehovah ireo,Fa ny anarany ihany no avo indrindra.+ Ambony noho ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.+ 14  Hampitombo ny herin’ny* vahoakany izy,Mba hahazo dera izay rehetra tsy mivadika aminy,Dia ny zanak’Israely, izay firenena akaiky azy. Derao i Jah!*

Fanamarihana

Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Abt: “lanitry ny lanitra.”
Abt: “virjiny.”
Na: “Na ny antitra na ny tanora.”
Abt: “Hanandratra ny tandroky ny.”
Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.